
Saron’ny polisy judiciaire teny Ankorondrano, ny talata tolakandro teo ny teratany vahiny iray nokarohin’ny polisy hatry ny ela. Voarohirohy ho mpisoloky avolenta izy ka izao voasambotry ny polisy izao taorian’ny fikarohana sy ny vela-pandrika. Araka ny fanazavan’ny polisy, maro ny fitarainana voarain’ny polisy ao amin’ny faritanin’Ambohidahy fa misy lehilahy iray antsoina hoe Soumaila Ibrahim misoloky amina seky tsy misy anto-bola. Voalaza fa nividy fiara Sprinter iray tao amina orinasa iray izy ny taona 2015 lasa teo. 34 tapitrisa Ar ny vidiny nifanarahany tamin’ilay orinasa, saingy 10 tapitrisa Ar no naloany manontolo teo noho eo fa ny ambiny kosa seky ny nomeny. Nilaza anefa izy tamin’io fotoana io fa mbola misy olona mitady fiara Sprinter miisa roa ka 30 tapitrisa Ar sy 32 tapitrisa ny vidiny. Seky avokoa no nandoavany ny vidin’ireo fiara ireo, raha ny tatitra avy amin’ny polisy hatrany. Herinandro taorian’izay anefa, naverin’ny fitsarana ireo seky ireo satria tsy misy anto-bola.
Naka kodiarana teny amina orinasa iray eny Ambanidia koa anefa i Ibrahim ka mitentina 60 tapitrisa Ar ny vidiny. Tsy naloany anefa ny vola fa mody norebirebeny ary nolazaina fa alaina eny Ivato ny vola. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa Colonel marin sady mpikambana ao amin’ny antoko HVM. Ao anatina association Mafia amin’ny fanaovana seky tsy misy anto-bola izy.
J.C