Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70616

Halatra nikela tao Ambatovy : voasambotra, saingy ahina ho votsotra ilay Poloney Maciek Pankowski

$
0
0
ambatovy

Tratra ihany ilay teratany poloney Maciek P., efa nahatrarana nikela halatra ny taona 2014. Voalaza fa marary anefa izy, ka manahy ny mpitory sao ho votsotra indray.

Tratran’ny zandarimaria, ny 3 febroary teo teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ilay teratany poloney, Maciek Pankowski. Voarohirohy mivantana tamin’ny halatra nikela tao amin’ny orinasa Ambatovy izy. Notazonina eny amin’ny Toby Ratsimandrava, ary tokony  hafindra any Toamasina, ny 4 febroary teo izy. Saingy nahemotra izany satria voalaza fa marary izy, fomba iray mety hamotsorana azy. Nanamafy ny fitoriana ny orinasa Tetikasa Ambatovy.

Nahatrarana biriky nikela 54

Raha tsiahivina ny tantara, nahita kaontenera telo mampiahiahy ny ladoany tany Toamasina, ny 8 oktobra 2014, misoratra amin’ny anaran’ny orinasa mpanondrana vato indostrialy sy sarobidy antonony (semi-précieuses). Ny omalin’io, nisy mpanjifan’Ambatovy, Koreanina Tatsimo, nahita fa vato tsotra (gravillons) no azon’izy ireo tamin’ny kaontenera efatra amin’ny dimy novidiany. Very tamin’izany ny nikela 80 t. Ny 1 oktobra 2014 anefa, nahatratra biriky nikela 54 tany anatin’ny valizin’ny mpandeha an’i Maciek Pankowski ny polisy mpiandry sisin-tany Paf, eny Ivato. Saika ho any Maorisy ity lehilahy ity. Saingy tafatsoaka tany ivelany izy ka tsy mbola nohadihadian’ny fitsarana ary izao tratra farany izao.

Randria


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70616