Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70657

Resaky ny mpitsimpona akotry : samy manana ny maha izy azy – Vahoaka iray tsy vaky volo

$
0
0

Rehefa mihetsika ry zareo Betsirebaka avy atsy amin’ny sisiny Atsimo-Atsinanana dia mitory ny fahafahana mihavana sy miray hina na samy mitana ny maha-izy azy aza, izay mitory fahasamihafana. Nisy fihaonan’ny Teraka Betsirebaka teto an-dRenivohitra, tao ny solontenan’ny Anteimoro, tao ihany koa ireo Antaifasy sy ny sisa hafa izay samy manana ny fiaviany any amin’ireo disitrika 16, miombona ho Betsirebaka no sady mijoro amin’ny maha-Malagasy azy ihany koa.
Maneho ny fahavitrihany ity fikambanana ity, fiarahabana tratry ny Taona no natao anton’ny fihaonana, fanamafisana fihavanana no ambentin-dresaka fanentanana firaisankina amin’ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo no nation-dRamatoa Johasy Eléonore foton-kevitry ny fandraisany anjara tamin’ny fitenenana. Tsy navelan’ity minisitra teo aloha ity hisy aloka nanembana mihitsy ny fandraisana ny Praiminisitra Ravelonarivo Jean na tsy nitana azy ao anatin’ny governemanta amperin’asa amin’izao fotoana izao aza. Tsy ny toerana eo amin’ny fitondrana izay ifandimbiasana no atao hampizarazara arak’izany fihetsika mitory fahendrena izany. Fahendren’ny rehetra no ilaina, fanomezan-tahaka avy any amin’ireo Raiamandreny sy ireo olona manan-kaja no takina dia mipetraka ny firaisankina, tsy misy intsony ny ilàna ireo sokajy samihafa miseho miantsoroka adidy amin’ny fampihavanana nefa tsy menatra mampiseho fisaraham-bazana noho ny tsy fitovian-kevitra na noho ny fikarohana tombontsoa mifanipaka.
Ny taona tsy ampy ho antoka amin’ny fananana fahendrena. Noho izany tsy mitombina ny fanaovana sokajy miankina amin’ny taona eo amin’ny fitsinjarana adidy, ny fanilihana noho ny fahatanoran’ilay zatovo itsy na noho ny maha-be taona ilay zoky olona hafa iry, dia mety hahatonga fanilihana olona mety mahavita azy. Tsy ny mahavita azy no diso maro loatra, hita izao ny vokany ary efa nozakaina koa ny tsy fahombiazan’ny fitantanana napetraka tamin’ny tanora. Tsy ny vitrika noho ny fahatanorana na ny maha-zokiolona efa ela nietezana fototry ny fampandrosoana na ny fihemorana fa ny fahendrena eo amin’ny fitantanana. Vehivavy roa tamin’iny herinandro lasa iny no tazana nisongadina, dia i Johasy Eléonore izay nampiseho fihetsika avy amin’ny fo voadiniky ny saina ahitana taratra ho alaina tahaka amin’izany fihavanana noho ny maha mpiray tanindrazana, sy Rasamoelina Brigitte izay tsy nanangam-peo anilihana ny fitsikerana fa nitondra fanazavana tamin’ny teny feno fahatoniana ny fomba fitaizana eo amin’ny fanatanterahana izany adidin’ny ministera iantsorohany mba hanefany izany araky ny fanao tsara tantana. Izany tsy milaza fa ny maha-vehivavy fotsiny dia ampy hitokisana mialoha fa olom-pirenena tsara taiza sy mana-panahy Ramatoakely iroa na Ramatoabe izatsy.
Léo Raz

Cet article Resaky ny mpitsimpona akotry : samy manana ny maha izy azy – Vahoaka iray tsy vaky volo est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70657

Trending Articles