Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70783

Tsy misy ny famoronan-karena : mihena ny vola miasa eo anivon’ny Banky Foibe

$
0
0
Banky foibe 2 feb

Nihaona tamin’ny lehiben’ny faritra Boeny, Saïd Ahamad Jaffar, tao Mahajanga, ny governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, Rasolofondraibe Alain Hérvé, ny 28 janoary teo. Nampahafantarin’ny governora tamin’izany fa mihena hatrany ny vola miasa eo anivon’ny Banky Foibe. “Ny antony, hoy izy, tsy misy firy ny famoronana harena ka mitovy, manaraka izay, ihany koa ny vokatra aondrana any ivelany, izay mampiditra vola vahiny eto amintsika”. Nanao famelabelarana fohy momba ny tanjona sy ny asan’ny Banky Foibe ny governora. Ka anisan’izany ny fiantohana ny fanamarinan-toeran’ny vola ato anatiny na any ivelany. 800 ny miasa ao amin’ny Banky Foibe miparitaka any amin’ireo masoivoho 14 manerana ny Nosy.

Nanararaotra nilaza ny zava-bita eo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, nanomboka ny taona 2013, ny lehiben’ny faritra, fotoana nahavoatendry azy eo amin’io toerana io. Fampandrosoana eo amin’ny fambolena sy fiompiana, fizahantany, harena an-kibon’ny tany sy ny jono. “Na eo aza ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, tsy mahasakana akory izany hitady fomba hafa”, hoy izy. Izay no nahatonga ny fitadiavan’ny faritra fiaraha-miasa misandrahaka any ivelany toy ny any Mayotte, La Réunion, Afrika Atsimo hatrany  Sina.

Nanotrona ny Governora tamin’izany ny tale jeneraly sy ny talen’ny Banky Foibe Mahajanga. Marihina fa niforona tamin’ny taona 1973 ny Banky Foibe nandimby ny Ivontoerana Fitsinjarana ny vola (Institut d’emission malgache).

R.Mathieu


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70783

Trending Articles