Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70763

An-kitsim-po : nametraka hafatra i Ban Ki-moon

$
0
0

Atahorana hamely mafy firenena maro aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika ny mosary vokatry ny toetr’andro “El Nino”. Anisan’ireo firenena ireo i Madagasikara, araka ny tatitra navoaka nandritra ny fivorian’ny Vondrona afrikanina natao tany Addis-Abeba, Etiopia, ny herinandro lasa teo. Nanao antso avo amina firenena maro ny Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana, Ban Ki-moon, hitondra fanampiana ho an’i Afrika. Voakasika betsaka vokatr’izao fiovan’ny troetr’andro izao i Etiopia, miaina ao anatin’ny haintany mamaivay, tsy fahita tao anatin’ny 30 taona. Tsy afaka mamboly ny olona, tsy mahita ho hanina !.

Ho an’ny firenena maro aty Afrika, nosoritan’ny Sekretera jeneralin’ny mikambana ny tokony hitadiavana vahaolana amin’ny fomba maro. Ny governemanta etiopianina, ohatra, nanokana tetibola iray tapitrisa dolara ho an’ny tetikasa samihafa hiatrehana ny tsy fahampian-tsakafo. Raha ho an’ny eto Madagasikara, efa nilaza ny zava-misy any aminy ny faritra Androy, vokatry tsy fisian’ny fotodrafitrasa manondraka velaran-tany. Koa na mba misy orana kely aza, tsy tonga any amin’ny tanimbary ny rano. Marihina fa nanatrika io fivoriana tany Addis-Abeba io ny filoha Rajaonarimampianina.

M.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70763

Trending Articles