Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70763

Tanambe Amparafaravola : dahalo fito maty voatifitry ny zandary

$
0
0
dahalo

 Dahalo raindahiny miisa fito indray maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifampitifirana tao Tanambe Amparafaravola, ny faran’ny volana janoary lasa teo. Basy mahery vaika Mas 36 iray sy basy vita gasy ary bala no tratra tany amin’izy ireo…

 

Mirongatra ny halatra any amin’ny distrikan’Amparafaravola tao anatin’ny roa volana (desambra 2015 sy janoary 2016). Vokatr’izany, nanao izay ho afany ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Tanambe nanenjika ireo dahalo. Vokany, dahalo miisa fito indray lavo nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary. Ny 19 janoary lasa teo tao amin’ny kaominina Vohitsara Amparafaravola nahaverezana omby ampolony. Tratra tamin’izany ny olona roa nampiantrano ireo dahalo izay nilaza fa namidy tamin’ny mpivaro-kena ireo omby halatra. Nitohy ihany ny fanadihadian’ny zandary ka hita tao anatin’ny findain’ireo voasambotra fa misy olona mifandray tsy tapaka amin’izy ireo. Nanao ny vela-pandrika ny zandary mba hahafahana misambotra ireo dahalo. Raikitra ny fifampitifirana nandritra ny fotoana nisamborana ireo olon-dratsy ka lavo tamin’izany ireo dahalo raindahiny ireo.

Tafatsoaka kosa ny dahalo miisa fito raha lavo kosa ny iray nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary tao Miarinarivo Ambohijanahary Amparafaravola, ny 29 janoary 2016. Omby miisa 35 no tratran’ny zandary taorian’ny fifandonana.  Azo koa ny basim-borona iray.

Nanamafy hatrany ny zandary fa mitohy hatrany ny fampandriana fahalemana ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70763

Trending Articles