Polisin’ny Fip efa-dahy miasa any Ambalavao no anaovan’ny zandary famotorana mikasika ny fanerena olona handoha vola. Olona roa hafa voalaza fa nakan’ireo polisy ireo vola kosa no anaovana famotorana noho ny resaka halatra taolam-paty. Araka ny vaovao azo avy amin’ny zandary, ny 26 janoary lasa teo, nisy roa lahy avy any Fianarantsoa tonga tany Andonaka, nilaza fa hividy taho-mangazo. Nahazo tsy novidiana izy ireo, ary nilaza ilay rangahy nanome mba hanatitra izany amin’ny sarety any amin’ny 6 km miala ny RN7. “Nasain’ireo olona ireo nitondra basim-borona roa ilay rangahy io mba ho fiarovana fa hoe mitondra volabe izy ireo”, hoy ny fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana. Rehefa tany amin’ny toerana voatondro, nisy fiara Golf mena niandry teo, ary noterena niditra tao ilay rangahy io.
Nentin’ireo nanaraka azy, ary nosakanan’ny Fip avy eo ny fiara. Nosavaina ny fiara ka hita tao ireo basy roa tsy nisy taratasy. “Toy izany koa, tsy nisy taratasy ilay fiara, ary teo no nanery ireo olona hanome azy vola 20 tapitrisa Ar ireo polisy vao averiny ny basin’ireo mpirahalahy tompony. Nifanaraka ireo fa omena 15 tapitrisa Ar ireo polisy ary hifanao fotoana avy eo. Tsy niverina anefa ireo fa nampandre ny ben’ny Tanàna sy ny fokonolona ary nanazava ny nahazo azy ireo. Niantso ny zandary avy any Andonaka sy Ambalavao ireo ka zandary 12 nidina tany an-toerana ka mbola tratra tao ilay fiara, sy ny basy ary ireo polisy efa-dahy« .
Voalazan’ny zandary fa tsy mety nanome ny basy ireo Fip efa-dahy. Tonga tany an-toerana ny kaomadin’ny Fip Ambalavao ka nisy ny fivoriana maika natao niarahana tamin’ny lehiben’ny distrika, ny solombavam-bahoaka, ny kaomandin’ny kaompania, ny komiseran’ny poliosy ary ny ben’ny Tanàna. Tamin’izany no nilazana fa nitondra taolam-paty ireo roa lahy ireo ary naneho porofo ny polisy. Nisy lehilahy iray hafa avy any Fianarantsoa voasambotra tao anaty fiara. Voalazan’ny zandary fa araka ny tapaka tamin’ny fivoriana, manao famotorana momba ny taolam-paty ny polisy ary manao ny famotorana mikasika ilay fanerana handoa vola ny zandary.
Misokatra, araka izany, ny fanadihadiana momba ity resaka ity, izay somary hafahafa ihany ny fandehany, satria mifamahofaho eo ny tena marina. Milaza ny hamoaka ny marina ny mpitandro filaminana amin’ity raharaha ity. Andrasana ny tohin’ny famotorana.
Yves S.