Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70808

Teo imason’ny ny minisitra sy ny ambasadaoro : nifanjevo indray ny « gros bras » sy ny mpiasan’ny kaominina

$
0
0
TARATRA

Tsy mbola nahitam-bahaolana. Raikitra indray ny fifanjevoana teo amin’ny mpiasan’ny kaominina, mitokona, sy ny « gros bras », manohana ny ben’ny Tanànan’i Toamasina,  omaly. Niseho izany tamin’ny fandalovan’ny vahiny tany an-toerana.

Nanomboka tamin’ny 10 ora maraina ary naharitra ora iray teo ny fifandonan’ny mpiasan’ny kaominina sy ny « gros bras » teo amin’ny lapan’ny Tanànan’i Toamasina, omaly. Nitazam-potsiny ny mpitandro filaminana na teo aza izany ka niteraka faharatrana mpiasan’ny kaominina roa.
Tamin’io fotoana io koa anefa no tokony ho nandray sy nihaona amin’ireo vahiny tonga any an-toerana, nahitana ny minisitry ny Fiarovana, ny Jly Rakotozafy Dominique sy ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Paza Didier ary ny ambasadaoron’i Inda, Chandra Ballabh ny ben’ny Tanàna Ratsiraka Elysé.

Efa an-dalana hihazo ny eny an-toerana, amin’ny alalan’ny fiara maromaro, nialohavan’ny « moto »  izy ireo saingy niverin-dalana avokoa rehefa  nahita izany fifanjevoana izany. « Tianay haseho amin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony eo anivon’ny fanjakana fa tsy mbola milamina ny momba anay mpiasan’ny kaominina. Antony nanaovanay ny hetsika izany », hoy ireo mpiasa mitokona.

Mitohy ny fitakiana ny karama

Nanterin’izy ireo fa tsy hitsahatra ny hetsika ary miantso ny mpitondra izy ireo mba hijery ny mpiasan’ny kaominina. « Takianay ny karamanay tsy mbola azo hatramin’izao. Tsy mitombina ny filazana fa efa milamina ny momba anay  », hoy ihany izy ireo.

Tsy nety nihaona amin’ny mpanao gazety kosa ny ben’ny Tanàna, Ratsiraka Elysé fa lasa avy hatrany nandray ny fiarany, manoloana izany rehetra izany.

Midika izany fa tsy mbola nahitana vahaolana ny momba ity resaka karaman’ny mpiasan’ny kaominina ity.

Tsy vao voalohany ny tahaka izao.  Efa niteraka fifanjevoana matetika sy naharatrana mpiasa izany. Izao indray, eo ambany mason’ny vahiny sy ny mpitondra ambony no miseho izany rehetra izany. Tsy misy mihaino ireo mpiasa ? Iza sy aiza avy ireo tompon’andraikitra ? Iza no mahazo tombontsoa amin’izao tsy fivahan’ny olana izao ?

Sajo sy Synèse R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70808

Latest Images

Trending Articles