Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70706

Laza avy any ampita

$
0
0

Nifanotofana ny nanome voninahitra farany an’i René Angélil, vadin’i Céline Dion, nodimandry ny 14 janoary teo, tany Los Angeles Etazonia. Nosokafana ho an’ny olon-drehetra ny bazilika ao Montréal Canada, toerana misy ny vatamangatsiakany, ny alakamisy teo. Nanotrona sy nankasitraka ireo olona marobe tonga tao i Céline Dion. Notanterahina omaly kosa, ny fandevenana ny vadiny sady nampiakatra azy teo amin’ny sehatra avo indrindra amin’ny mozika.

Tsy nankasitrahan’i Julien Lepers ary mbola ananany alahelo ny nanesorana azy tsy hanolotra intsony ilay fandaharana malaza, « Question pour un champion ». Fantatra fa tsy nanaiky handray anjara amin’ilay fandaharana enti-mankasitraka azy izy. « Nahoana no olona nandroaka ahy ihany no hanasa ahy, kanefa tsy nankasitrahako ny fandroahany ahy », hoy i Julien Lepers. Ny talen’ny fandaharana ao amin’ny fahitalavitra France3 no tiany ambara amin’izany.

Nangonin’i Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70706

Trending Articles