Hapetraka eto amintsika, ao amin’ny Tour Orange Ankorondrano, ny foibe iray fampifandraisana sy fanangonam-baovao rehetra ny amin’ny fifamoivoizana an-dranomasina (Centre de fusion d’informations maritimes – CFIM). Io ny CFIM faharoa aty amin’ny ranomasimbe Indianina aorian’ny napetraka any Singapour. Foibe tafiditra anatin’ny tetikasan’ny Commission de l’océan Indien (COI), vatsin’ny Vondrona eoropeanina vola. Foibe atao hanangonam-baovao rehetra hanaraha-maso sy ho fiarovana ny tontolo an-dranomasina. Arahi-maso amin’izany ireo sambo mpanjono tsy ara-dalàna, fitaterana an-tsokosoko ireo harena voajanahary, ireo sambo manao asan-jiolahy, arahi-maso koa ireo sambo mpitondra mpizahatany.
Madagasikara, misy fari-dranomasina midadasika ifamoivoizan’ny sambo anarivony maro aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Tombanana ho 2.500 isan’andro ireo sambo mandalo amin’ny Lakandranon’ Mozambika ; 30 % amin’ireo, mpitatitra solika ; 8.000 isan’andro, mandalo avy any Afrika Atsimo hatrany Azia Atsimo-Atsinanana.
Noho izany, zava-dehibe ny fisian’ny CFIM eto Madagasikara, hahazoana manadihady ny fitaterana an-dranomasina rehetra. Miainga avy any amin’ny Corne de l’Afrique hatrany amin’ny Cap de Bonne Espérance, mandrakotra manontolo ny Lakandranon’i Mozambika sy ny tapany ranomasimbe Indianina. Niara-nivory nijery ny lafiny teknika amin’ny fiatrehana io CFIM io, ny 21 janoary teo, ny Praiminisitra Ravelonarivo Jean ; nitarika izany fotoana izany ny mpandrindra io foibe, ny jeneraly Randriamiandrisoa Edelin.
R.Mathieu