
Taorian’ny nialan’ireo miaramila mpampandry tany, nisesisesy ny famakiana magazay. Mitaintaina indray ny vahoaka ao Ankazoabo noho izany. Lasibatra indray ny mpivarotra entana any an-toerana. Magazay lehibe iray, mpivarotra entana isan-karazany, toy ny finday, milina fanairana, fahitalavitra, vata fampangatsiahana, lamba no novakin’ny dahalo ny alarobia alina nifoha alakamisy teo tokony ho amin’ny iray ora maraina. Tifi-danitra tamin’ny alalan’ny basy Kalachnikov no nataon’ireto dahalo nialoha ny namakian’izy ireo ilay magazay. Natahotra ny manodidina ary tsy sahy nivoaka. Niantso ny mpitandro filaminana fa tsy tonga ireto farany fa nijanona teny amin’ny toby ihany nanapoaka basy. Nandritra ny adiny iray sy sasany teo ho eo ny famakiana sy fakana ny entana rehetra tao anatin’ilay magazay. Araka izany, niala an-kalalahana ireo dahalo fa tsy nisy, na iray aza sahy nanakana ny fanafihana. Talohan’io, izany hoe, ny alatsinainy alina, mbola trano fivarotana iray no lasibatra ary lasa daholo ny entana tao tanatiny. Marihina fa tao an-toerana ny miaramila mpampandry tany fa saingy tsy nihetsika raha tsy efa saika hamaky magazay manakaiky ny toerana nisy azy ireo ireto dahalo ireto. Ireo toerana nanaovan’ny dahalo asa ratsy ireo, tsy lavitra akory ny toerana misy ny mpanao dina be ihany koa, nefa samy natahotra daholo ny rehetra noho ny tsy fitovian-kery. Amin’izao fotoan izao, mateti-pitranga ny vaky trano sy magazay any Ankazoabo taorian’ny nialan’ireo miaramila any an-toerana satria efa tafakatra efatra ny toeram-pivarotana voatafika.
CMS