Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70671

Tao anatin’ny 15 taona : 10 miliara dolara ny very tamin’ny harena an-kibon’ny tany

$
0
0
miliara

Ny taona 2010, nolavin’ny Comité national des mines tamin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany ny fampiakarana hatramin’ny 200 % ny vola alain’ny fanjakana amin’ireo mpitrandraka madinika. Nanapa-kevitra, nanomboka teo, ireo mpitrandraka madinika ireo, hivondrona anaty sendika ka nanangana ny Syndicat professionnel minier de Madagascar (SPMM) ny taona 2012, tarihin-dRazafindrazaka Rabary Richard. Teny faneva napetrak’izany sendika izany ny hoe «Tsy misy firenena matanjaka raha tsy matanjaka ny mpandraharaha teratany ao aminy».

Ahitana endriky ny kolikoly isan-karazany ny fitrandrahana sy ny famarotana ny harena an-kibon’ny tany. 10 miliara dolara ny very tamin’izany tao anatin’ny 15 taona na 650 tapitrisa dolara isan-taona, manantombo lavitra noho ny vola azo tamin’ny Fed faha-11, raha ny filazan’ny filohan’ny SPMM. Mamono tsikelikely ny mpitrandraka madinika izany kolikoly avo lenta izany no manimba ihany koa ny lalàna mifehy ny toekarena eo amin’ny fifaninanana. « Mety tsy hita izany nefa mikiky isan’andro ny harem-pirenena, simba hatrany amin’ny kolontsaina maha Malagasy. Aleo isika rehetra hiaraka hiady, hiaro ny harentsika ambanin’ny tany », hoy Razafindrazaka Rabary Richard.

Manome asa  500.000

Mamelona olona betsaka ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, indrindra ho an’ireo sokajin’olona madinika. Manome asa hatramin’ny 500.000 io sehatra iray io, araka ny voalazan’ny Banky iraisam-pirenena, manantombo izany amin’ny fotoana tsy fambolena. 2,5 hatramin’ny 5 tapitrisa ny mponina mivelona amin’io fitrandrahana harena an-kibon’ny tany io.

 « Hita amin’ny sehatra rehetra ny fahantran’ny Malagasy na malaza ho manan-karena an-kibon’ny tany aza ny fireneny. Hatramin’ny fanjanahantany, manapotika antsika hatramin’izao ny zarazarao anjakàna sy ny fanaovana ory hava-manana », hoy Razafindrazaka Rabary Richard, filohan’ny SPMM. Nambaran’ny filohan’ny SPMM ihany fa tsy ampy amintsika Malagasy ny firaisankina, ohatra, ny amin’ny fitakiana ny Iles Eparses ahitana tahirin-tsolika 12 miliara barils sy gaz 3 hatramin’ny 5 miliara m3. Tsy misakana ny ny fahatongavan’ireo vahiny ny SPMM, saingy tokony ho ara-dalàna ny asa ataon’izy ireo eto an-toerana, tsy manararaotrra ny fahantran’ny Malagasy.

R.Mathieu


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70671

Trending Articles