Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70647

 Fifanarahana APE : tsy mandoa haba ny entana avy any Eoropa rehetra

$
0
0

Mihatra manomboka amin’ity taona 2016 ity ny fifanarahana hivezivezen’ny entana malalaka eo amin’ny tsena eoropeanina (UE) sy ny aty Afrika-Karaiba –Pasifika (ACP). Izany hoe, tsy tataovana haba intsony ny entana avy any amin’ireo firenena mpikambana ao, toa an’i Frantsa, ohatra, sy aty Madagasikara, mpikambana ao amin’ny ACP.

Santionany amin’ny entana tena fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy ny lamba tonta (friperie) sy ny fiarakodia. Iaraha-mahita fa mitobaka tokoa ny lamba “fripy” eny an-tsena ankehitriny, efa nanapotika ny zaitra eto an-toerana sy ny akanjo vaovao, mifaninana amin’ny vita sinoa. Tsy mandoa haba koa ny fiara vaovao sy efa niasa avy any Eoropa, toy ny avy any Frantsa, anisan’ny tena be mampiasa eto Madagasikara. Efa niteraka fatiantoka ho an’ny mpandraharaha ny fiara mihoatra ny 15 taona, mihitsoka ao amin’ny seranan’i Toamasina, ankehitriny.

Tsy mampandroso ny fandraharahana

Miteraka fatiantoka ho an’ny sampandraharahan’ny ladoany malagasy ity tsy fakana haba ity. Olana eto amintsika ny tsy fitomboan’ny “tokony handoa hetra”, mampitaraina ireo mpandraharaha efa “mpandoa”. Voizin’ny sampandraharahan’ny ladoany sy ny hetra ny hanitarana ny hetra miditra (élargissement de l’assiette fiscale), nefa tsy hita ny vokatra tena mivaingana. Tsy hampandroso ny firenena mihitsy ny fampitomboana ny tahan’ny hetra sy ny haba. Manao izany fomba izany koa ny rafi-panjakana sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (CTD), toy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ohatra, nampiakatra ny tahan’ny haba na tamberim-bidy sy namorona, toy ny fandoavam-bola amin’ny fisoratam-panambadiana sy ny famadihana, ohatra.

Njaka A.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70647

Trending Articles