Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70662

Radanoara Julien  : « Tsy mbola tena hitan’ny iraisam-pirenena ny fitondrana tsara tantana »

$
0
0
Radanoara  019

Nahabe adihevitra tato ho ato ny fihetsika sy ny fitenenan’ny eo anivon’ny fiombonambe iraisam-pirenena tato ho ato. Maneho ny fijeriny ny mpahay fifandraisana iraisam-pirenena, Radanoara Julien: « Tsy mbola tena hitan-dry zareo fiombonambe iraisam-pirenena taratra  tsara ny ady amin’ny kolikoly, ny fitondrana tsara tantana. » Dinidinika…

 

Gazety Taratra (*): Ahoana ny fijerinao ny amin’ny fihetsika sy ny fitenenan’ny avy amin’ny fiombonambe iraisam-pirenena amin’ny mpitondra malagasy tato ho ato?    

 

Radanoara Julien (-): Tsy te hamela antsika Malagasy ho irery ny fiombonambe iraisam-pirenena. Satria raha misy olana eto Madagasikara, tsy mahazo vola, ohatra, isika: miteraka olana hafa ho an’ny fiombonambe iraisam-pirenena izay. Vao mainka ho tena voa mafy ny vahoaka amin’izany.

Tany Israely, any amin’ny faritr’i Moyen Orient, ohatra: tonga teo amin’ny fitondrana ny Amas, izay lazain’ny Vondrona eoropeanina hoe mpampihorohoro aza. Nefa nomen-dry zareo vola ihany. Fa any amin’ny vahoaka avy hatrany izany: fanampiana ny maha olona. Tsy nomeny vola ny fitondram-panjakana any Palestinina. Ny Amas any amin’ny faritr’i Gaza izany.         

Mitovitovy amin’izay koa ny miseho any amin’ny firenena ahitany fa hoe tokony hanao ezaka bebe kokoa. Eto amintsika izao, tsy omeny mivantana ny fanjakana ny fanampiana tonga. Na ny sampana eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU) na izy ihany no mitantana azy, na ny fikambanana tsy miankina (ONG).

Ny antony, mampanantena zavatra be dia be ny fitondram-panjakana aty Afrika, satria hoe malaza izay. Nalaza, ohatra, ny sosialisma tamin’ny andron-dRatsiraka, nanao sosialisma avokoa na tsy resy lahatra aza. Avy eo, demokrasia… Izao indray: fanjakana tan-dalàna, fitondrana tsara tantana, ady amin’ny kolikoly… Satria andry iankinan’ny demokrasia ireo. Samy milaza hanao izany avokoa… Fa ny tena itsarana ny firenena iray, ny fanatanterahana azy sy ny vokatra amin’izany.

* Ahoana ny eto Madagasikara ny amin’izay lafiny izay?

– Eto amintsika, raha vao tsy vita tsara ny fandriampahalemana: tsy ampy ny fitondrana tsara tantana ara-politika, tsy misy fahamarinan-toerana politika koa. Mizara maromaro ny hoe fitondrana tsara tantana: eo ny lafiny politika, ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny ara-toekarena sy fitantanam-bola.

Eo amin’ny fitondrana tsara tantana ara-politika izay hoe tsy misy fandriampahalemana tanteraka izay, ary tsy misy koa ny fitoniana politika. Anisan’ny niteny an’izay, ohatra, ny iraky ny Vondrona afrikanina (UA) farany teto hoe mbola tokony hohamafisina ny fitondrana tsara tantana.

Ny fitondrana tsara eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana kosa: ahoana ny fampiharantsika ny hoe tany tan-dalàna? Iray izay. Ahoana koa ny fitondrana tsara tantana eo amin’ny lafiny toekarena sy fitantanam-bola? Eo, ohatra, ny fanatsarana ny fampidiran-ketra sy ny fadintseranana. Ahoana ny fitondrantsika ny harin-karena eo amin’ny sehatry ny firenena? Eo koa ny fiarovana ny mpampiasa vola eto Madagasikara.

* Ahoana ny mahatonga ireo avy amin’ny fiombonambe iraisam-pirenena niteny hatrany ny momba ny fitondrana tsara tantana tato ho ato?

– Ny mahatonga ny Vondrona eoropeanina, na ny Amerikanina, na ny mpamatsy vola iraisam-pirenena miteny hatrany hoe: ahoana izao sy izatsy? Tsy mbola tena hitan-dry zareo taratra  tsara ny ady amin’ny kolikoly, ny fitondrana tsara tantana. Manahirana avokoa izany. Nefa hanome vola sy fanampiana izy ireo.

Raha mahatsiaro isika, tamin’ny  ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina niasa teto Madagasikara teo aloha, Leonidas Tezapsidis, handeha: 455 tapitrisa euros ny vola natokana ho an’i Madagasikara amin’ny Tahirim-bola eoropeanina ho amin’ny fampandrosoana (Fed) andiany faha-11. Tsy azo io, nefa nampitomboiny indray: 518 tapitrisa euros, satria… Mba handrisihana antsika amin’ny asa sy ny ezaka bebe kokoa. Tokony hampieritreritra izay fanomezana vola be dia be mihamitombo izay.

Nangonin’i R. Nd.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70662

Trending Articles