Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70647

Komity mpanomana ny OIF : « Hiteraka asa ny fivorian’ny Frankofonia »

$
0
0

« Tsy fihaonana ara-politika ihany fa fivoriana ara-toekarena koa ny Frankofonia hatao eto amintsika. Fanokafana lalam-barotra sy hiteraka asa mialoha sy aorian’ny fihaonana izy io », hoy ny eo anivon’ny Komity mpanomana (CNO), tarihin-dRajaobelina Mamy, omaly teny Iavoloha, taorian’ny nandraisan’ny filoha Rajaonarimampianina ireo vahiny avy amin’ny OIF.  Nanteriny fa hisy koa ny hetsika manerana ny Nosy hampahafantarana ny vahoaka malagasy ny tombontsoa ho azontsika amin’ny fampiantranoana izany fivoriana an-tampony izany. « Tsy afaka ny hiolonolona isika fa tsy maintsy misokatra amin’izao tontolo izao. Hiteraka fiaraha-miombona antoka vaovao izany eo amin’ireo mpandraharaha. Hisehoan’ny fifanakalozana amin’ny sehatra samihafa », hoy ihany izy.

Toerana ho an’ny asa tanana sy ny mpanakanto

Natsidiny sahady fa ahitana tsenan’ny asa tanana sy toerana hanaovana fampisehoana ataon’ireo mpanakanto maro ny etsy amin’ny Tanànan’ny Frankofonia.

        Etsy andaniny, nilaza ho afa-po ny vahiny amin’izao fijereny ny fizotry ny fanomanana izao. Anisan’ny nangatahin’ny delegasion’ny Frankofonia, tarihin’i Jacques Bilodeau, ny hanamorana mba hahaingana ny fandehanana amin’ireo toerana rehetra ireo : ny toeram-pivoriana sy ny hotely ary koa ny trano hiatranoana. Ho vita mialoha ny oktobra izao izany ka tafiditra ao anatiny ny lalana mampitohy an’Andraharo sy ny etsy amin’ny Henri Fraise ary hatreny Andohatapenaka.

       Ankoatra izany, ho vita amin’io fihaonana an-tampon’ny OIF io ny ampahany amin’ny fanitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Ny handraisana ny fiaramanidin’ireo filoham-pirenena… Efa hanomboka rahateo ny fanakisahana ny Tobi-miaramilan’ny RFI Ivato sy ny ampahany amin’ny tobin’ny Bani. Tafiditra amin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena avokoa ireo ary tokony horaisina amin’ny taona 2018 ny fahavitan’izy rehetra. Efa azo handraisana ny Frankofonia amin’ity taona ity anefa ny ampahan’izany.

        Manoloana ireo rehetra ireo, nilaza ny komity mpanomana fa araka ny tokony ho izy avokoa ny tetiandro amin’ny fanomanana. « Tokony hasehonareo fa mahavita ny handraisana izany ianareo ary hampiseho ny mampiavaka azy i Madagasikara », hoy kosa i Jacques Bilodeau.

Synèse R. 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70647

Trending Articles