Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70671

Mipoitra tsikelikely ihany ny marina… : mpitsara iray nosamborin’ny polisin’ny BC tany Toamasina

$
0
0

 Fantatra, araka ny loharanom-baovao marim-pototra, ary mbola nohamafisin’ny… sekretera jeneralin’ny sendikàn’ny mpitsara (SMM), fa nisy mpitsara iray nosamborin’ny polisin’ny brigade criminelle avy aty Antananarivo, tany Toamasina, omaly, tolakandro. Niainga tamin’ny nahasamborana olona iray afakomaly, izay nanonona ny anaran’io mpitsara io, izao nisamborana azy izao.

Omaly tolakandro, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany teo ho eo, nitontona tao amin’ny trano fonenan’ity mpitsara ity,  tao amin’ny Boulevard Joffres, ireo polisin’ny borigady misahana ny heloka bevava (BC) avy aty Antananarivo, nalefa hanatevin-daharana ireo polisy any Toamasina. Ny hisambotra azy io, araka ny voalaza, no anton’ny iraka. Izao fisamborana izao dia niainga avy tamin’ny nahasamborana olona iray hafa (tao Toamasina ihany) afakomaly, izay nanonona ny anaran’io mpitsara io.

Araka izany, mivoatra sy mihazakazaka be ny fandehan’ny fanadihadiana sy famotorana mikasika ity ”raharaha kidnapping Annie sy Arnaud”, tany Toamasina ity. Indrindra taorian’ny fanapahan-kevitry ny Fiadidiana ny Repoblika nampakatra sy namindra ireo olona efa voarohirohy sy voasambotra miisa 27 taty Antananarivo, andro vitsivitsy lasa izay. Teo ihany koa ny efa nahalavoan’ny polisy an’i Fredo, tany Toamasina sy ny nahasamborana an’i Lejao na Ramasa, tany Farafangana, afakomaly. Ireto farany izay voalaza fa samy nandray anjara mivantana tamin’ny fomba nahery vaika tamin’izao raharaha kidnapping izao.

Mipoitra tsikelikely, arak’izao, ary mbola andrasan’ny rehetra, ny hivoahan’ny marina amin’ity raharaha lehibe mitana ny sain’ny maro ity. Voamarina tokoa àry izao ny fisian’ny mpitsara tafiditra ao anatin’ity raharaha ity, araka io fisamborana natao omaly io. Izay halalin’ny nahatafiditra azy amin’izao raharaha izao, ny famotorana no hamaritra izany.

Nihanjahanja ny mpanao gazety

Tsiahivina fa nahitan’ny mpanao gazety raharaha tokoa ny filazana ”ny hoe fisian’ny mpitsara tafiditra amin’ity raharaha kidnapping” tany Toamasina ity. Nahazo lesona sy nahanjahanjan’ireo mpitsara mivondrona ao anatin’ny Sendikàn’ny Mpitsara (SMM) tokoa ny gazety sy fampahalalam-baovao vitsivitsy tamin’izany, ary noterena hanao fifonana am-pahibemaso sy handiso ny vaovao navoaka. Tsy vitan’izany, fa narangaranga koa ireo karazana fehezan-dalàna famaizana hoe azo hitoriana ny mpanao gazety, vokatr’izany. Izao anefa ny vokany. Io tokoa izao fa misy dia misy ny mpitsara nosamborina.

Raha efa nilaza ny faniriany hahafantatra ny tena atidoha amin’ity raharaha kidnapping ity ny Filoham-pirenena, andro vitsivitsy izay, somary nitroastra sy nanakiana ny fitsabahan’ny fahefana mpanatateraka  amin’ny raharaham-pitsarana ny SMM. Vao omaly noho omaly koa, no mbola nanamafisan’ny Filan-kevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) ny fangatahany, nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny Filoham-pirenena, teny Iavoloha, ny amin’ny tokony hanamafisana ny fahaleovantenan’ny mpitsara.

Andrasana indray, araka izany, ny fizotry ny raharaha, indrindra fa efa hiakatra etsy amin’ny fampanoavana (parquet) Anosy, sahady ny ampahany amin’ireo voarohirohy nakarina taty Antananarivo, rahampitso zoma.

Sajo sy M.R.

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70671

Trending Articles