Taorian’ny savorovoro, fanakanan-dalana teny Andranomena nitady marimaritra iraisana ho an’ny andaniny sy ny ankilany ny lehiben’ny faritra. Tapaka nandritra ny fifandresen-dahatra fa hiandry ny havoakan’ny fitsarana ny roa tonta satria efa nametraka fitoriana ireto vahoaka ireto. Araka ny nifanarahana, natao teny amin’ny trano malalaky ny faritra atsimo Andrefana ny fifampidinihana, izay niarahana tamin’ireo foko, manana fasana eny Andranomena sy ilay nividy tany ary natrehin’ireo manam-pahefana, izay notarihin’ny lehiben’ny faritra Atsimo Andrefana ny kolonely Rabe Jules. Nandritra izany no nitadiavana vahaolana hampilaminana ny andaniny sy ny ankilany hialana amin’ny korontana hafa. Nafana ny adihevitra ary nisy mihitsy aza ny nihantsy ady, saingy hita ihany ny marimaritra iraisana. Tsy nisy namoaka teny firy ilay Karana nividy tany fa ireo atao hoe mpikaraman’ady no niady sy nijoro ho mahafantatra ny fizotry nahazoan’ity farany io tany io. Ho an’ ny foko Vezo sy ny foko Tandroy tompom-pasana dia hampitsahatra ny hetsika nataon’izy ireo izay efa nametraka ny raharaha eo anivon’ny fanjakana, ny fitsarana mahefa ka hiandry ny fandraisan’ity farany andraikitra hampilaminana ny olana. Teo am-pamaranana, nambaran’ny lehiben’ny faritra fa tokony ho samy hiaiky izay valin-tenin’ny fitsarana ny roa tonta ary nangataka izy hanafainganan’ny fitsarana ity raharaha ity mba tsy hampitarazoka ny olana.
CMS