
Tsy tongatonga ho azy amin’izao fotoana mahabe resaka ny tontolon’ny fitsarana izao ? Noraisin’ny filoha Rajaonarimampianina teny Iavoloha, omaly maraina ny eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM). Nivoitra tamin’izany ny tolokevitr’ireto avy amin’ny mpitsara ireto ny amin’ny tokony hijerena na hanitsiana, raha ilaina izany sady ho fanamafisana ny fahaleovantenan’izy ireo sy ny tontolon’ny fitsarana amin’ny ankapobeny.
Efa voaresaka matetika amin’ireo karazana atrikasa na koa fihaonana sy fivorian’ny mpitsara na ny sendikàn’izy ireo ny momba izany ary efa nandritra ny fotoana maro.
Voaresaky ny roa tonta koa ny tokony hanajana mandrakariva ny sata mifehy ny mpitsara sy ny tokony hiantohana ny asan’izy ireo.
Tsy azo hadinoina rahateo fa ny filoham-pirenena no lehibe mitarika na filoha faratampon’ny ny CSM.
Hitondra fivoarana sy fanatsarana ny asan’ny fitsarana
Ankoatra izany, nifakalozan-kevitra ny zava-misy manodidina ny tontolon’ny fitsarana amin’izao fotoana izao.
Araka izany, inoana fa hitondra fivoarana sy fanatsarana bebe kokoa ny asa eo anivon’ny fitsarana sy ny mpitsara izao fihaonana sy dinidinika izao.
Ilaina rahateo izany, manoloana ireo resabe sy ireo tranga niseho tato ho ato eto amin’ny firenena.
Nitarika ireo delegasion’ny CSM nihaona tamin’ny filoha Rajaonarimampianina ny minisitry ny Fitsarana, Ramanantenasoa Noeline.
Synèse R.