
Rehefa tsy manam-bola ny kaominina, mirotsaka manampy araka izay eo am-pelatanany ny minisiteran’ny Asa vaventy, Ratsiraka Roland, hanarenana ny lalana sasany eto an-dRenivohitra. Hiasa avy hatrany koa ny minisiterany fa tsy mahandry ny famatsiam-bola avy any ivelany.
Anisan’ny lalana tena ratsy eto an-dRenivohitra ny eny Andravoahangy, manoloana ny sekoly Sainte Antoine. Notsorin’ny minisitry ny Asa vaventy Ratsiraka Roland, omaly, fa ela loatra ny fivoahan’ny vola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena (BM), tokony hanaovana azy io. Tsy andrin’izy ireo izany ka handray andraikitra izy ireo ary vinavinaina ho vita mialoha ny an’ny BM.
Manodidina ny 3 miliara Ar ny tetibola atokan’ny minisiteran’ny Asa vaventy, hanarenana ny lalana eto an-dRenivohitra. Omaly, nojereny ny asa teny Anosy, Andrefan’Ambohijanahary, Ankadimbahoaka, mirefy 400 metatra, ataon’ny orinasa Sogea Satom. Asa vonjy taitra ity atao ao anatin’ny roa andro ity, ka tokony ho vita omaly. “Mahatonga ny fahasimban’ny lalana eto an-dRenivohitra ny tatatra tsentsina. Efa nodiovina izany ka tokony hateza amin’izay”, hoy izy.
Mandritra ity volana janoary ity ny asa tena ataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy ato an-dRenivohitra. Dingana manaraka ny eny Bagdad 67 ha, Behoririka, Andohatapenaka. Efa nanomboka ny desambra lasa teo kosa ny eny Andohan’i Mandroseza, ary maharitra telo volana.
Njaka A.