
Nivoaka amin’ny fanginany ary naneho hevitra tamin’ny mpanao gazety ny filoha teo aloha, Ravalomanana, omaly teny Faravohitra. Noresahiny ny fifidianana loholona farany teo sy ny momba ireo Nosy manodidina.
« Manohana aho rehefa antsika ireo Nosy ireo… Tsy azo ekena izany taninao lasan’olon-kafa izany. Voahitsakitsaka amin’ny fananantsika isika… », hoy izy.
Ankoatra izany, nahitsy ny fanehoan-keviny momba ny fifidianana loholona farany teo ka nilazany fa tsy mbola nisy tahaka iny. Noraisiny ho ohatra ny tranga niseho tany Toliara amin’ireo hosoka sy marika samihafa tamin’ny biletà tokana. Ny fandrahonana sy ny teritery samihafa…
Nandray ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo, Guert Grobler, nanao veloma azy ny tenany tamin’io fotoana io ary niresahan’ny roa tonta ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana. Nampiantrano ny filoha teo aloha rahateo ity firenen’i Mandela ity. Nivoitra tamin’ny nambaran’ny ambasadaoro ny tokony hanohizana ny fifampiresahan’ny samy Malagasy. « Mba ho amin’ny tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka izany… tsy mbola miala amin’ny sori-dalàna koa ny Sadc », hoy izy.
Mbola nandray ny iraky ny Vondrona afrikanina, Brahimi koa Ravalomanana taorian’izany.
Synèse R.