Hiala an-daharana. « Hatramin’ny fivoriana fahatelo teny amin’ny CCI, Ivato, angamba, no niteny ny Pr Zafy Albert hoe atsangano aloha ny komity nasionalin’ny fampihavanam-pirenena (CNR)”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Komity ho amin’ny fampihavanam-pirenena (CRN), Tabera Randriamanantsoa, teny Antaninarenina, omaly io. Nambarany fa tsy hiroso amin’ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena ny Pr Zafy Albert sy ny delegasiona tarihiny.
”Ny Komity nasionalin’ny fampihavanam-pirenena (CNR) no manome fahefana izay delegasiona handeha amin’ny fakan-kevitra anivon’ny faritra amin’ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena. Amin’izany, ara-panjakana ny olona handeha hidina any amin’ny faritra”, hoy izy.
Voalaza anefa fa hiroso hatrany ny FFKM, ho vory lanona etsy Mahamasina ireo avy any amin’ny faritra anio.
Synèse R.
Cet article Fialan’ny ankolafy Zafy : nanazava i Tabera est apparu en premier sur NewsMada.