Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70319

Makamaka fanahy : hajao ny kely ananana

$
0
0

 Rehefa misy ny vola, mety daholo izay rehetra atao. Marina fa tsy vaovao intsony ity horesahina ity fa holazaina ihany mba hahafahantsika manao fampitahana. Fiara ambony karazana sy matanjaka ary lafovidy, toy ny Audi R8, Lamborghini Aventador, Ferrari FF ary Bentley GTR no ampiasain’ny polisy ao Dubaï. Tsy azo atao ny mampitovy lakana amin-jahatra satria eran’izany rehetra izany ny vola. Manambola izy ka tsy olana aminy ny mividy izany fiara raitra izany. Araka ny filazan’ny tomponandraikitry ny polisy any an-toerana, tsy natao hanenjehana jiolahy akory ireo fiara ireo fa hampisehoana ny tanjak’i Dubaï sy mba hanomezan-toky ireo mpizahatany tonga maro any aminy. Ny tiana hisarihana ny saina dia ity, raha mba misy fanomezana fiarakodia, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany eto amintsika, ireo tomponandraikitra rehetra no miady hahazo ireny. Ny solika laniny, tsy lazaina intsony. Nefa ho an’ireo tena manao ny asa fampandriana fahalemana, fiara efa tsy misy demarera na lany solika ny omena azy ireny. Efa ifanosehana vao afaka miainga. Ka jiolahy inona no ho tratra amin’izany? Ny vola, hoy isika, no fototr’izany, nefa tsara marihina ihany fa raha ny kely efa eo am-pelatanantsika aza tsy voatsinjara araka ny tokony ho izy, iza ny hanome hafa ho antsika eo?

Cet article Makamaka fanahy : hajao ny kely ananana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70319

Trending Articles