Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70752

Kitra – «Can U23» : hiatrika ny “JO 2016” i Nizeria sy Alzeria

$
0
0
Kitra

Hisolo tena an’i Afrika, any amin’ny Lalao olympika (JO 2016), tanterahina any Rio de Janeiro, Brezila, ny ekipan’i Nizeria sy Alzeria. Ireo ekipa roa tonta ireo mantsy, no tafavoaka hiatrika ny lalao famaranana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can U23), taranja baolina kitra. Fihaonana izay tanterahina, tao amin’ny kianja Dakar, Sénégal.

Raha tsiahivina, resin’i Nizeria teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny isa 1 noho 0, ny Liona-n’i Teranga Sénégal. Lavo teo an-tokotany filalaovany sy teo anatrehan’ny mpijery azy, ny boaikelin’i Sénégal. Tetsy ankilany, resin’i Alzeria tamin’ny isa mazava, 2 noho 0 kosa ny Afrikanina tatsimo. Lalao izay natao ny alarobia, lasa teo.

Raha ny fandinihan’ny rehetra, mety tsy ho sarotra amin’i Nizeria, ny handrombaka ity fifaninanana ity, raha ny herijikan’ny lalao nasehony no lazaina.

Marihina fa fandraisana anjara voalohany ho an’i Alzeria, raha eo amin’ny sehatry ny Lalao olympika, izao nahatafita azy ireo izao. Hatao ny asabotsy ho avy izao, ny famaranana eo amin’ny roa tonta. Hiady ny laharana fahatelo kosa i Afrika Atsimo sy Sénégal. Tsiahivina fa misy Malagasy nitantana sy nitsara lalao, tamin’ity “Can U23” ity, amin’ny alalan’i Nampiandraza.

 Tompondaka

Cet article Kitra – «Can U23» : hiatrika ny “JO 2016” i Nizeria sy Alzeria est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70752

Trending Articles