Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70763

Nandray fepetra ny fanjakana : noraran’ny Atitany ny hetsika politika amin’izao fety izao

$
0
0

 « Manao antso avo izahay noho izao fety izao. Tsy azo atao ary ajanona avokoa ireo hetsika rehetra manana endrika politika na fivorivoriana. Mitohy kosa ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana loholona ary aoka ho anatin’ny fifanajana sy ny maha malagasy izany », hoy ny minisitry ny Atitany, Mahafaly Solonandrasana, omaly tetsy Anosy. Momba ny hetsika fitakiana ireo Nosy manodidina kosa, nambarany fa anjaran’ny Prefektioran’Antananarivo sy ny eo anivon’ny mpitandro filaminana (OMC) ny mandray ny fepetra rehetra momba izany.

     Midika ireo fa voarara ary tsy ho azon’ireo mpitarika ny fitakiana ireo Nosy manodidina ny hanao hetsika na ho eny Ambohijatovo na eny amin’ny tany menabe Andohatapenaka ny asabotsy izao.

Hanao amboletra eny Ambohijatovo ireo mpitarika

Na izany aza, nilaza ny tsy hihemotra sy hanao amboletra izy ireo ary ho eny amin’ny tsangambaton’ny MDRM, Ambohijatovo amin’io fotoana io. « Efa tapaka tamin’ny fivorianay fa amin’ny 9 ora ny fotoana eny an-toerana. Tsy mahalala izany  fanomezan-dalana avy amin’ny kaominina ho eny Andohatapenaka izany izahay. Mitohy ny tolona… », hoy ny mpitarika, Rajaonah Andrianjaka, omaly.

      Etsy andaniny, mizara roa ireo mpomba ity fitakiana ity, ankoatra ny efa fiparitahan’ireo mpitarika. Ao ireo tsy manana olana amin’ny toerana hanaovana izany na ho eny Andohatapenaka aza. Ny hafa kosa, manitrikitrika ny handehanana eny Ambohijatovo.

Efa mazava anefa ny an’ny fanjakana ary efa noraisina ny fepetra rehetra mba hanaovan’ny vahoaka fety anaty fitoniana, tsy misy tabataba politika.  Mbola hanamafy izany ny mpitandro filaminana sy ny Prefektiora.

Synèse R.

Cet article Nandray fepetra ny fanjakana : noraran’ny Atitany ny hetsika politika amin’izao fety izao est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70763

Trending Articles