Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70706

Fampihorohoroana : lavin’ny FSM ny fiampangana silamo

$
0
0
Silamo 28 nov

 «Manao antso avo amin’ny mpino silamo rehetra mba tsy ho azon’ny vela-pandriky ny mpampihorohoro mitonona ho silamo ». Io ny fanambarana goavana nataon’ny Fikambanan’ny silamo malagasy (FSM) teny amin’ny Moske 67 ha Atsimo, omaly. Voizina be ny fampifandrafiana ny kristianina sy ny silamo any anaty tranonkala. Mitady hirona mankamin’ny fifankahalana be fahatany ny resaka fampihorohoroana tany Frantsa sy tany Mali, Tonizia, Tiorkia, sy ny sisa. Lavin’izy ireo tanteraka io fiampangana ny silamo ho mpampihorohoro io.

Nohazavain’ny Dr Ravoahangy Francis Daniel, sekretera jeneraly ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny FSM fa mifanohitra amin’ny Korany Masina ary heloka ny famonoana olona an-jambany. « Tsy mitombina ny filazana hoe Djihad no ataon’ireo mpampihorohoro », hoy ny FSM. Misy trakta niely rahateo tany Antsiranana, nanonona anaran’olona ambony sy mpandraharaha maro, nambara fa nifampiraharaha tamin’ny silamo mpampihorohoro avy any ivelany. « Fampirisihina ny Malagasy hiady an-trano izany ary lainga manimba fihavanana sy anakorontanana ny fiarahamonina malagasy  », hoy ihany ny FSM.

Hampivondrona amin’ny fampandrosoana

Niforona tamin’ny taona 1974 ny Fikambanana silamo malagasy. Nohavaozina ny sata amam-pitsipika hifanaraka amin’ny toetrandro ka nankatoavin’ny fitondrana ankehitriny. Miantso ireo fikambanana silamo tsy ankanavaka manerana ny Nosy, noho izany, ny FSM hanatona ny foiben-dry zareo ho amin’ny asa fampandrosoana.

Tanjona koa ny hahamarin-toerana ireo fikambanana na ONG silamo ireo eo anatrehan’ny fanjakana. Toy ny fikambanana rehetra, nandalo krizy koa ny FSM, indrindra tao anatin’ny dimy taona izay. Taorian’ny kongresy natao tany Mahajanga ny volana septambra lasa teo, voalamina izany ka nisy ireo mpitantana vaovao.

Zo.Ra.

Cet article Fampihorohoroana : lavin’ny FSM ny fiampangana silamo est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70706

Trending Articles