
Efa niorina tany amin’ny taona 1996 ny Ombona tahiry ifampisamborana (Otiv) Antananarivo, antsoina hoe Otivtana. Saingy ny taona 2000 vao azo ny fankatoavana amin’ny maha sampandraharaha ara-bola madinika (IMF). Hanamarihana ny faha-15 taonany ny tranobe ho foibe vaovao etsy Ampasanimalo Tsiadana, notokanana omaly. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Otivtana, Randrianiaina Rakotoarivo, fa mampiavaka ny Otivtana, anisan’ny tompony ny mpikambana, izany hoe, rafitra iombonana.
Anisan’ny ambany indrindra ny tahan’ny zanabola ao aminy raha mindram-bola ary ambony ho an’ny mitahiry. Tamin’ity taona 2015, mahatratra 54 miliara Ar ny vola tahirizina ao amin’ny Otivtana, ary 45 miliara Ar ny ampisamborina. Maherin’ny 264.000 ny mpikambana raha 46.000 ny taona 2005. Ankoatra ireo, manana tolotra amin’ny famindram-bola (transfert) ny Otivtana.
Miantoka ny saram-pitsaboana
Amin’ny lafiny sosialy, azo atao ny miantoka ny saram-pitsaboana ho an’ny mpikambana. Eo koa ny fanampiana amin’ny fikarakarana tetikasa, ny lafiny tetibola sy ny manodidina azy.
Mpikambana ao anatin’ny Fikambanan’ny misehatra amin’ny sampandraharaha ara-bola madinika (APIMF) ny Otivtana. Manodidina ny 29%-n’ny tokantrano malagasy ankehitriny ny misitraka ny IMF azy. Ilaina ny hanohizana ny idiran’ny tsirairay aminy ary tanjona ho 2 tapitrisa ny Malagasy mampiasa azy amin’ny taona 2017.
Njaka Andriantefiarinesy
Cet article Mariky ny faha-15 taona : manana foibe vaovao ny Otivtana est apparu en premier sur NewsMada.