Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70397

Handball – CCOI 2015 : THBC ihany no miatrika ny fifaninanana

$
0
0
handball2411

Marary mafy ny handball eto Madagasikara, ka mila famonjena. Izay no azo ilazana ny zavatra iainan’ity taranja ity, ankehitriny. Raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena aloha, tena mahamenatra ny zava-misy satria tsy manana afa-tsy solontena iray ihany ny Malagasy dia ny THBC vehivavy,  eo amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCOI 2015), nanomboka tamin’ny asabotsy lasa teo, tany Maorisy.

Noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, tsy afaka ny nanatrika izany ny ST Michel sy ny HBCT Toliara izay toa tsy misy intsony araka ny vaovao voaray. Voatery nijanona ihany koa ny Tilty, tompondaka lefitra teo amin’ny vehivavy.

Hiaro ny anaram-boninahitra efa eo am-pelatanany izany, ny Tana Handball Club, amin’ity. Raha ny fandaharam-potoana, ao anatin’ny vondrona “A”, ity ekipa tompondakan’i Madagasikara ity, miaraka amin’ny Curepipe Rangers, St Gilles ary ny Sada.

Ankoatra izay, tsy andrenesam-peo intsony ny eo anivon’ny federasiona ny amin’ny tohin’ny fifaninanana eto an-toerana sy ny fandaharam-potoany. Sanganehana tanteraka ireo klioba sy ny mpitantana manoloana izany. Mangina tanteraka ny tontolon’ny handball. Miandry ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara avokoa ireo klioba isanisany, izay toa very hevitra na hisy izany na tsy hisy.

 Tompondaka

Cet article Handball – CCOI 2015 : THBC ihany no miatrika ny fifaninanana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70397

Trending Articles