
Natao sonia, omaly tany Bruxelles Belzika, foiben’ny Vondrona eoropeanina (UE) ny fifanarahana Fandaharanasam-pirenena enti-manondro na Programme indicatif national (PIN). Nanatanteraka izany ny kaomisera misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ao amin’ny UE, Neven Mimica, sy ny filoha Rajaonarimampianina.
Ao anatin’ny Tahiry eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (Fed) andiany faha-11 ity fifanarahana ity. Hita ao anatin’io PIN io ny antsipiriany mikasika ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny UE.
Anisan’izany ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny fanamafisana ny politika ho an’ny vahoaka, ny fotodrafitrasa hampandrosoana ny toekarena ary ny fampandrosoana eny ambanivohitra.
“Hanamafy ny ady amin’ny fahantrana ity fandaharanasa vaovao ity, mba hitondra fampandrosoana ara-toekarena maharitra ho an’i Madagasikara, anisan’ny mahantra indrindra eran-tany”, hoy i Neven Mimica.
Tsiahivina fa maherin’ny 518 tapitrisa Ar ny Fed andiany faha-11, ho an’ny fe-potoana 2014-2020.
Njaka A.
Cet article Fed andiany faha-11 : nisy fifanarahana hafa natao sonia est apparu en premier sur NewsMada.