Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70405

Volley – CCCZ7 2015 : afaka ny GNVB, ASI sy Stef’Auto ary AMVB

$
0
0
Volley

Hiatrika ny lalao manasa-dalana avokoa ireo ekipa malagasy efatra tamin’ny dimy nisolo tena an’i Madagasikara amin’ny CCCZ7 2015. Hiady, araka izany, ireo lalao manasa-dalana rehetra.

Voahaja ny lôjika. Tafita hiatrika ny manasa-dalana amin’ny fiadiana ny “Coupe des clubs champions de la Zone 7” na CCCZ7 2015, taranja volley, avokoa ireo ekipa malagasy efatra tamin’ireo dimy niaro ny voninahi-pirenena. Hetsika mizotra, amin’izao fotoana izao, eto amintsika, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina.

Araka izany, amin’ny alalan’ny GNVB, tompondakan’i Madagasikara, sy ny ASI, eo amin’ny lehilahy, ary ny Stef’Auto, laharana voalohany eto Dago, sy ny AMVB kosa, eo amin’ny vehivavy.

Ho an’ny GNVB sy ny Stef’Auto, tsy mbola resy mihitsy izy ireo nandritra ireo lalao natrehany teo amin’ny fifanintsanana. Izany hoe, ny GNVB aloha hatreto, no mitana ny lohany eo amin’ny vondrona “A” misy azy eo amin’ny lehilahy. Manaraka azy eo amin’ny laharana faharoa, izay tafakatra ihany koa, ny Trou Aub Biches Sharks SC avy atsy Maorisy. Raraka ny Racines Clubs avy any Kaomoro, ho an’ity vondrona ity. Eo amin’ny vondrona “B” ilany indray, mitana ny lohany vonjimaika ny Beau Vallon (Seychelles) arahin’ny ASI ary fahatelo ny Camp Ithier (Maorisy).

Ny Stef’Auto koa, mitana ny lohany ao amin’ny vondrona “A” vehivavy arahin’ny Cascade (Seychelles) sy Azur (Maorisy). Anse Royale (Seychelles) indray kosa, ho an’ny vondrona “B” arahin’ny AMVB. Hangotraka ny manasa-dalana rehetra.

Miary Narindra

Cet article Volley – CCCZ7 2015 : afaka ny GNVB, ASI sy Stef’Auto ary AMVB est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70405

Trending Articles