
Tsy tanteraka araka ny niheveran’ireo mpikarakara ny hetsika fanangonana sonia, hitakiana ny hamerenana ireo Nosintsika manodidina. Tsy nahazo valiny avy amin’ny mpitantana ny tanàna izy ireo, hatramin’ny omaly, ka nandray fanapahan-kevitra.
Tsy hipetra-potsiny fa hanohy ny hetsika. “Hitady toerana hafa sy malalaka izahay ary tsy ataontsika ela”, hoy ny mpikamban’ny CST sy ireo loholona teo aloha, Andriamaholison Jules, omaly tamin’ny haino aman-jery. Tsy nahazo valiny avy amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) izy ireo momba ny fangatahana hampiasa ny eo anoloan’ny lapan’ny Tanàna, hanangonana sonia fitakiana hamerenana ireo Nosintsika manodidina (Iles Eparses) mbola eo an-tanan’i Frantsa.
Tokony ho natao omaly izany nefa tsy tanteraka na efa tafapetraka tamin’ny alakamisy aza ny fangatahana alalana. Tsy nisy nanao hetsika fampirantiana na fampisehoana hafa koa anefa teo amin’io toerana io, omaly.
Tsy nitondra fanehoan-kevitra na valiny momba izao ny eo anivon’ny CUA.
Miketrika fanakorontanana ireo mpitaky ny Nosy manodidina
Na izany aza, efa nanitrikitrika ny avy amin’ny gadra politika (Fedep), ny herinandro teo, fa efa fantatra ireo mpanao politika mivoy izao fitakiana izao. “Miketrika korontana sy fanonganam-panjakana ireo ary mpitady seza sy tombontsoa. Efa nitondra avokoa izy ireo, saingy inona no mba nataony ho an’ny firenena ?” hoy izy ireo tetsy Andrefan’Ambohijanahary.
Ho azy ireo, tokony hampiana eo amin’ny hevitra ny filoha Rajaonarimampianina amin’ny famerenana ireo Nosy ireo.
Synèse R.
Cet article Tsy novalian’ny kaominina ny fangatahana : hitady toeran-kafa ireo mpitaky ny “Iles Eparses” est apparu en premier sur NewsMada.