Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70415

Mitsangana ny CNE : hiova ny fandaharam-pianarana izay efa lany andro

$
0
0

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena Anosy ny filan-kevitra nasionalin’ny fanabeazana (CNE). Izy ireo no hiantoka tanteraka ny famolavolana ny fanovana ny fandaharam-pianarana izay efa lany andro tanteraka.

Tsy hitsahatra ny hikaroka vahaolana hanatsarana ny sehatry ny fanabeazana ireo mpikambana ao amin’ny CNE ireo. Handrindra sy handamina amin’ny sehatra nasionaly  ny hetsika rehetra momba ny fanatanterahana ny politikam-pirenen’ny fanabeazana.

Nilaza ny tsy handrarak’ilo mby an-doha ny andraikitra napetraka aminy ireo mpikambana ao amin’ny CNE. Anisan’ny tena mbola ipetrahan’ny adihevitra betsaka ankehitriny koa ny mikasika ny teny enti-mampianatra. Handalina mikasika izany ny CNE ka miankina amin’izay tapak’izy ireo ny teny entina mampita fahalalana rehetra any an-tsekoly.

Ahitana mpikambana 51 ao anatin’ny CNE. Voasolo tena ao avokoa ireo minisitera maromaro miaraka amin’ny akademiam-pirenena sy ny fiarahamonim-pirenena.

Tafiditra ao anatin’ny mpikamban’ny CNE ireo talen-tsekoly marobe avy amin’ny sehatra tsy miankina. Eo koa ny sendika sy ny federasiona mijoro ara-dalàna miantsehatra amin’ny fanabeazana.

Tetsy andaniny, nankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka rehetra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ny minisitra Rabary Paul. Manampy betsaka amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fampianarana eto amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fampianarana.

Tatiana A

Cet article Mitsangana ny CNE : hiova ny fandaharam-pianarana izay efa lany andro est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70415

Trending Articles