
Nitombo 110 ny mpahay momba ny lalàna sy fitantanana ary ny banky. Navoaka, omaly, ny andiany « Fanamby » niofana nandritra ny roa taona ka hatramin’ny dimy taona tao amin’ny Institut supérieur des paramédicaux novateurs de Madagascar. Fotoana nanazavan’ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity toeram-pampianarana ambony ity fa mila arindra mifanaraka amin’ny takin’ny sehatry ny asa eto amintsika ny fandaharam-pampianarana. Nasiany teny tamin’izany ny fandalovana amin’ny rafitra « semi-LMD ». « Ho an’ny rafitra LMD, ny 2/3-ny fikarohana anjaran’ny mpianatra, ny 1/3 anjaran’ny mpampianatra. Mavesatra amin’ny mpianatra io ka tokony ampifamadihana aloha. Izay ilay semi-LMD », hoy hatrany Razanadrakoto Roland Albert.
Na izany aza, « mila mivelatra any ivelany sy amin’ireo teknolojia vaovao ihany koa ny fampianarana eto Madagasikara », hoy izy. Anisan’izany ny fampiasana ny oniversite nomerika. Fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny toeram-pampianarana ary ny mpiara-miombonantoka any ivelany.
HaRy Razafindrakoto
Cet article Lalàna sy fitantanana : nivoaka ny andia « Fanamby » est apparu en premier sur NewsMada.