Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70415

Hopitaly Befelatanana : nitsimbina ny reny sy ny zaza ny Star

$
0
0
Befelatanana 19 nov

Nanolotra kojakoja ho an’ny reny vao teraka sy zaza vao teraka ny vondrona Star omaly tetsy amin’ny hopitaly Befelatanana. Tafiditra ao anatin’ny fanamby apetraky ny orinasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny fitsimbinana ny reny sy ny zaza.

Nitondra ny ekipany teny an-toerana ny sekretera jeneraly miandraikitra ny sosialy, Rabary Anna. Manodidina ny 500 ireo kojakoja nozaraina tamin’izany. Samy nahazo ny anjarany avokoa ireo reny sy zaza tamin’ny sampam-pitsaboana maromaro tao amin’ny hopitaly.

Amin’ny ankapobeny, avy amin’ny fianakaviana sahirana ny ankamaroan’ireo reny miteraka ao amin’ny hopitaly ka mendrika izao fanomezana izao.

Ahitana satroka kely, vilia sy kaopin-jaza, tatin’ivy sy kilalao ary rano madio fitsotro ny fanomezana. Ampy ho an’ny reny sy ny zaza hiatrehana ny fikarakarana voalohany aorian’ny fiterahana ireo fanomezana natolotra raha ny tomban’ny orinasa.

Marihina fa manodidina ny 20 isan’andro ny zaza teraka ao amin’ity hopitaly ity raha ny tatitra hatrany.

Tatiana A

Cet article Hopitaly Befelatanana : nitsimbina ny reny sy ny zaza ny Star est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70415

Trending Articles