
Efa ho roa volana izay no nikarakarana fifaninanana eo amin’ny atletisma teny anivon’ireo sekoly maro ao Toamasina. Ny asabotsy 21 febroary izao no hifarana ity fifaninanana ity. Araka izany, tafiditra ary natao indrindra ho fitiliana ireo ankizy nisafidy ity taranja fototra ity ny hetsika, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra voalohany mpikarakara eo anivon’ny Ascut, Razafimanana Jean Christian. Nambaran’ity farany hatrany fa hanomboka tsy ho ela ny fikarakarana ireo ankizy nandalo fitiliana. Manomboka eo kosa amin’izay no misafidy amina taranja izay mety aminy ireo ankizy ireo, toy ny volley, basikety, kitra lahy sy vavy, sns.
Ankoatra izay, mikasa ny hanova anarana ny Ascut ato ho ato. Raha ny fanazavana nentin’ity tompon’andraikitra voalohany eo anivony ity mantsy, efa tsy manome na/sy tsy mahazo fanampiana avy amin’ny kaominin’i Toamasina intsony mantsy ny Ascut ka mendrika raha hiova anarana. Hiova ho Toamasina Tena Tanora Tonga Saina na 3TS amin’izay ny Ascut manomboka amin’ity taom-pilalaovana ity. Voalaza fa nisy ihany koa ny tsy fifankahazoana teo amin’ny samy mpitantana.
Sajo
Cet article Atletisma – Toamasina : manao fitiliana ny eo anivon’ny Ascut est apparu en premier sur NewsMada.