
Nitondra fanazavana mikasika ny lisitry ny mpifidy amin’ny fifidianana eo anivon’ny Komity olympika malagasy izay mahatonga resabe ankehitriny ny Komity mpanomana ny fifidianana. Nambaran’izy ireo fa tsy manapaka ny lisitry ny mpifidy ny komity.
Mbola mifantoka tanteraka amin’ny fifidianana eo anivon’ny Komity olympika malagasy (Com), ankehitriny, ny maso sy ny sain’ny mpitia sy mpikirakira fanatanjahantena eto Madagasikara. Araka ny fantatra, ny 21 febroary izao, any Toliara, no hanatanterahan’ireo mpikambana mpanatanteraka miaraka amin’ny Komity mpanomana ny fifidianana olympika (CEO) ny fifidianana eo anivon’ny Com ho amin’ny fe-potoana olympika manaraka.
Mbola miteraka resabe ihany koa anefa ny mikasika ny lisitry ny federasiona mpifidy, amin’izao fotoana izao. Noho izay indrindra, nitondra fanazavana tamin’ny alalan’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy amin’ny Hotel de France Analakely, ny CEO tarihin’ny filohany, Rakotomalala Marcel, izay filohan’ny federasion’ny rugby (FMR) am-perinasa. Tamin’izany indrindra no nanambaran’izy ireo fa tsy ny CEO velively no manapaka ny lisitry ny mpifidy, eny fa na dia izy ireo aza no mikarakara ny fifidianana sy manao fandinihana ny lisitra. Nambaran-dRakotomalala Marcel fa ny fivoriambe ara-potoana mialoha ny fifidianana, izay amin’io daty voatondro io hatrany, no manapaka ny lisitr’ireo federasiona manan-jo hifidy sy hanatanteraka ny adidiny.
Mpifidy ny CEO…
Ankoatra izay, nanambara ireo mpikambana eo anivon’ny CEO fa anisan’ireo mpifidy ihany koa izy ireo. Na izany aza, nohamafisin’ireo mpikambana fa tsy momba ny atsy sady tsy momba ny aroa izy ireo. Nitondra fanazavana ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ny CEO fa ny fivoriamben’ny Com teo aloha teo no nanendry azy ireo amin’io andraikitra sahanin’izy ireo. Mpikambana dimy no mandrafitra ny CEO, raha ny fanazavana hatrany.
Etsy andaniny, nohazavain’ny komity hatrany fa kandidà roa no mpifaninana ofisialy amin’ny fitantanana ny Com: Randrianasoloniaiko Siteny Thierry, filohan’ny federasion’ny judo (FMJ), sy Ramaroson Jean Michel, filohan’ny federasion’ny basikety (FMBB). Efa voamarin’ny CEO avokoa ny antontan-taratasim-pirotsahan-kofidina miaraka amin’ireo lisitry ny komity mpanatanterany avy.
Miary Narindra
Ny lisitry ny CEO
- Rakotomalala Marcel (FMR)
- Rabarisoa Hery Mamy (FMBO)
- Andrianirina Brice (FM Voile)
- Rakotomaharo Yves (FM Echec)
- Razafitombo Levanaina (Omnisports)
Cet article Fifidianana COM : tsy manapaka ny lisitry ny mpifidy ny CEO est apparu en premier sur NewsMada.