
Hiantefa amin’ny zaza 4 tapitrisa mahery latsaky ny 5 taona sy reny mitondra vohoka 1 tapitrisa ny hetsika « Herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza » izay nanomboka omaly manerana ny Nosy. Hizarana vitamine A ny zaza enim-bolana ka hatramin’ny 5 taona, eo koa ny famitana ny karazam-baksiny mahazatra atao mialoha ny faha herintaona. Hotiliana ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo eny amin’ny distrika 40 manana ny toerana fandraisana manokana Crena ao anatin’ny faritra 16. Mbola 42 ho an’ny zaza teraka 1 000 ny taham-pahafatesan’ny kilonga madinika eto amintsika, 26 amin’ny zaza 100 tsy mahavita ny vaksiny rehetra mialoha ny faha herintaonany. Miaro amin’ny aretina maro anefa ny fahavitan’ny vaksiny mahazatra sy maimaimpoana eny amin’ny tobim-pahasalamana. Izay no antony hanatanterahana ny hetsika tolotra ara-pahasalamana indroa isan-taona (avril sy oktobra).
Nandritra ny andiany faha-18 ny volana mey teo, 4 tapitrisa latsaka kely ny zaza (6-11 volana) nahazo vitamine A. 52 886 natao vaksiny BCG, ary 77 079 vita vaksiny DTC Hep Hib3. 79 608 (9-11 volana) nahavita ny vaksiny miaro amin’ny kitrotro (Var).
Vonjy