
Ny alakamisy 22 oktobra lasa teo, tao amin’ny Restaurant La Cabane ao Antsirabe, no nanoloran’ny USBPA, ekipa mpilalao rugby avy any Bresse, Ain, Frantsa, maka rivotra aty Madagasikara ary mandalo eto an-drenivohitr’i Vakinankaratra, ireo «jeux de maillots» sy «shorts», niampy baolina lavalava iray, ho an’ny mpilalao rugby eto Antsirabe.
Niaraka tamin’izy ireo ny Mada-sou-Abe na Madagascar sourire Antsirabe, izay fikambanana vaovao miorina ao an-toerana ary miahy ireo fianakaviana sahirana.
Anisan’ny nahazo ireo fitaovana i Joël Juquin, tompo-marika tamin’ny fananganana ny sekolin’ny rugby ao Antsirabe, ho an’ny tanora latsaky ny 15 taona na ny «Rugby des jeunes». Ankoatra izay, sady mpanorina no mpanazatra ihany koa ny ekipan’ny Rugby Passion, tompondaka nasionaly, amin’ny sokajy misy azy, amin’izao fotoana izao.
Teo koa ny ligim-paritry ny baolina lavalava ao Vakinankaratra, tamin’ny alalan’ny filohany, Rakotoarison Samoela, izay nahazo «maillots» sy «shorts» ary baolina lavalava iray koa.
Velom-pisaorana sy fankasitrahana avokoa ireo notolorana noho izao fihetsika feno firahalahiana hampandrosoana ny baolina lavalava malagasy izao.
Jeannot Ratsimbazafy