Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70681

Rotary Antananarivo Mahamasina : sekoly efatra nahazo « kit scolaire »

$
0
0

Nitety sekoly efatra, manabe ankizy sahirana ny Rotary club Antananarivo Mahamasina, ny zoma 23 oktobra teo. Hetsika natao ny fizarana fitaovam-pianarana (kit scolaire) ho an’ny mpianatra 180 ao amin’ny sekoly Asa sosialy hanabeazana ny tanora malagasy (Asama) ireo sekoly ireo, eny Anosipatrana, Ambolokandrina, ary kilasy roa eny Ambohitrimanjaka. Zanaky ny fianakaviana sahirana ara-pivelomana ireo mpianatra, ary tanjon’ny Asama ny fampianarana azy ireo nohamafisina sy nohafainganina. Afaka manala CEPE sy kilasy fahenina aorian’ny 10 volana. Fanamby ho azy ireo ny fahazoana diplaoma. Nambaran’i Naivohaja (Asama Ambohitraimanjaka) fa sambany ny nahazoany kitapo tena fitondra mianatra, fa kitapo lamba nozairin’ny reniny no azy hatramin’izay nianarany.

Nijanona tamin’ny fianarana tany amin’ny sekoly mahazatra ny maro amin’ireo annkizy ireo. Ho an’i Harisoa, voatery niasa taorian’ny nahafatesan’ny rainy ka niato tamin’ny fianarana mahazatra. Dokotera ny asa iriny rahatrizay lehibe.

Tafaverina an-tsekoly ny ankizy 1.600

Ho an’ny foibe Avotra Anosipatrana, manodidina ny 30 ny mpianatra Asama (10- 17 taona) ao anaty efitrano 15 m2.

Tamin’ity taona 2015 ity, nanohana ara-bola ny sekoly Asama fito ny Rotary club Mahamasina. Iretsy sekoly efatra voalaza etsy ambony, miampy ny eny Ivandry, Isotry, Soavimasoandro. Ahitana ankizy 1.600, manodidina ny 8 -11 taona. Nahatratra 80% ny tahan’ny afaka fanadinana. « Mino ny hoavy, ny fiovana ary ny fahombiazana izahay, koa ndao tohanana ny tanorantsika », hoy Rabefitia Vero, filohan’ny Rotary Mahamasina.

Njaka A.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70681

Trending Articles