
Ny lohahevitra nofinidy tamin’ity taona 2015 ity no anisan’ny zava-dehibe mampiavaka ny « Herinandron’ny Havatsa », raha ny fanazavan’ny filohany, Andrianasolo Hajaina Naomy, omaly, tetsy amin’ny Tahala Rarihasina. Fifandrohizan’ny aina, haja, teny sy soratra ary ny fahaleovantenam-pirenena. Notsindriny manokana ny filazana fa mahaleo tena i Madagasikara. « Tsy mbola hita taratra manoloana ny fampiasana ny teny sy ny soratra izany », hoy izy. Na manana ny tenintsika aza isika, mbola misy misonenika eo ambonin’ny tenim-bahiny sy manindrahindra izany fatratra. Very ny fototra (Aina) sy ny haja (maha ianao anao) izay tokony ho an’ny fahaleovantenam-pirenena avy amin’ny alalan’ny teny sy soratra.
Mitohy hatramin’ny 31 oktobra ny ranty sy varo-boky etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Fampirantiana momba ireo mpanoratra ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Mpanoratra taloha sy ankehitriny. Fanehoana boky vaovao sy serasera mivantana amin’ny mpanoratra. Antsa sy tononkalo isaky ny tolakandro. Rahampitso tolakandro, velakevitra : « Aina sy haja ho an’ny fahaleovantenam-pirenena ny teny sy ny soratra malagasy ».
HaRy Razafindrakoto