
Hankalazaina ny zoma 30 sy sabotsy 31 oktobra ho avy izao ny hetsika « Festival mondial des lémuriens », na « Dihin’ny varika maneran-tany 2015 ». Andiany faharoa ity hatao ity satria natomboka ny taona 2014 ny andiany voalohany. Mikarakara ny hetsika ny Vondron’ny mpanadihady sy mpikaroka momba ny primate (Gerp). Nambaran’ny sekretera jeneraliny, ny Pr. Ratsimbazafy Jonah, fa tsy fotoana fankalazana andro mandalo fotsiny ireo fotoana ireo, fa tena natao hanairana ny rehetra fa harena ny varika, tsy misy afa-tsy eto Madagasikara, ka laharam-pahamehana ny fiarovana azy.
Nilaza ny Pr Ratsimbazafy Jonah, fa misy ny karazana varika vaovao hafa hita. Niisa 50 ny fantatra ny taona 1994, lasa 71 ny taona 2010, ary 107 tamin’ity taona ity. Efa tsy misy intsony ny dimy amin’ireo, toy ny varika vaventy tandindomin-doza ho ringana ny 25 (92%) amin’ireo mbola misy ankehitriny.
Mikasika ny « Dihin’ny varika 2015 », handray anjara ny tanora sy ny mpianatra, ho fanentanana sy haha-tompon’andraikitra azy ireo. Diabe miainga eo Mahamasina hatreny amin’ny valanjavaboary Tsimbazaza, sy ny fanentanana eo amin’ny kianjan’Ambohijatovo. Eo koa ny loabary an-dasy arahina adihevitra, atao ao amin’ny akademiam-pirenena Tsimbazaza, handraisan’ny mpisehatra sy ny olon-tsotra mikasika ny varika sy ny hiarovana azy.
Hampahafantarina amin’io fotoana io koa ny boky noraiketina anaty finday mikasika ny varika. Mankalaza ity Andro iraisam-pirenena ity koa ny any Soisa, Etazonia, Canada, ary ny any Ivoloina Toamasina.
Njaka Andriantefiarinesy