Manimba ny fotoam-pamokarana ny toetr’andro ankehitriny, misy fiantraikany amin’ny fambolena isan-karazany. Tsy araka ny tokony ho izy ny vokatra amin’izao fidirana amin’ny fotoam-pahavaratra izao. Fotoana fiakaran’ny karazam-bokatra maro, indrindra ny voankazo, toy ny letisia. Ity voankazo ity no anisan’ny vokatra azo aondrana any ivelany, nefa taona maro izay, tsy misy intsony izany. Manahirana, na ho an’ny tsena eto an-toerana aza. Anisan’ny singa iray mahatsara io voankazo io ny orana, saingy efa tsy ara-potoana intsony. Tsy izy intsony ny vokatra miakatra. Ankoatra ny toetr’andro, tsy fisian’ny fanavaozana ny voly mihitsy any anivon’ny tantsaha, efa an-taonany maro.
Milaza, ohatra, ny any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany sy any Atsimo Atsinanana fa tsy voajerin’ny fanjakana efa hatry ny ela ny fanavaozana ny voly letisia sy ny akondro mampalaza ireo faritra roa ireo. Ankoatra ny masomboly, mila teknisianina manampy ny tantsaha any am-potony, fizahana ny nofon-tany, fiarovana ny voly amin’ny biby isan-karazany. Raha ny tantsaha fotsiny anefa, lafobe ho azy ireo ny manavao ireo karazam-boly ireo.
M.C