
“Nohamaivanin’ny federasiona malagasin’ny basikety (FMBB) ny fisian’ny klioba Fandrefiala”. Io ny nambaran’ny filoha mpanorina ny klioba Fandrefiala, Rasoloarijaona Cyrille, omaly, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Le Café du Parc Tsimbazaza.
Raha ny fanazavana mantsy, nantsoin’ny federasiona ny Fandrefiala mba hisolo toerana ny Sebam amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny “Coupe des clubs champions de l’océan Indien” na CCCOI 2015, ho an’ny sokajy vehivavy. Voalaza fa nandefa taratasy fanambarana tsy fandraisana anjara eny anivon’ny FMBB ny Sebam ka nahatonga ny federasiona niantso ny Fandrefiala hisolo toerana azy ireo. Marihina fa mitana ny laharana fahatelo nasionaly eo amin’ny N1A vehivavy aorian’ny JCSA, tompondaka, sy ny Sebam, mitana ny laharana faharoa, ity klioba noforonina sy tantanan-dRasoloarijaona Cyrille ity. Nitsimbadika anefa ny rasa taty aoriana fa tsy afa-mandray anjara indray ny Fandrefiala noho ny fidiran’ny Sebam an-tsehatra sy nanambaran’izy ireo fa handray anjara indray. Noho izany, notsindrin’ireo mpitantana ny Fandrefiala fa misy zavatra tsy mazava ao ambadik’izao fanapahan-kevitra tampoky ny FMBB izao. “Mampiahiahy azy ireo ve fa mety tsy ho afaka handrombaka ny CCCOI ny kliobanay? Tsorinay anefa fa anisan’ireo klioba goavana ny Fandrefiala izay mahafeno ireo sokajy rehetra manomboka eo amin’ny U12 hatrany amin’ny “seniors” lahy sy vavy, izay mahatratra 250 ireo mpikambana feno sy mahafeno fepetra”. Manampy izany, hoy hatrany ireo mpitantana, mody notambatambazana fanonerana ireo vola laninay tamin’ny fanomanana izahay avy eo. “Tsy dia resa-bola loatra anefa no mahaory ny kliobanay fa eo amin’ny resaka ara-moraly mihitsy”, hoy izy ireo teny am-pamaranana.
Miary Narindra