Voalohany ! Sambany tafahaona avokoa ny ben’ny Tanàna vao voafidy teto amin’ny faritra Analamanga, omaly, teto Antananarivo. Antony, fotoana nampahafantaran’ny minisiteran’ny Fambolena azy ireo, ny paikady hoentina hanatsarana ny vokatra amin’ny fambolena, fiompiana ary ny jono (AEP) isaky ny kaominina nahavoafidy azy ireo avy.
Nanazavana ny lafiny ara-teknika ny Paikady isam-pihariana amin’ny fambolena, fiompiana ary ny jono (PSAEP), ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Randrianaritiana Pierrot. Tanjona ny hianteheran’ny fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ireo sehatra telo AEP ireo amin’ny taona 2025.
Fanondranana any ivelany
Vokatra andrasana ny hampihenana 50% ny fahantrana ary hiakatra 40% ny fidiram-bolan’ny mpamokatra. Hitombo 6% ny harinkarena faobe avy amin’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Ho 100% ny fanondranana ny vokatra avy amin’ireo any ivelany. Hisy velaran-tany 2 tapitrisa ha voajary amin’ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny fambolena.
Paikady dimy no entina hanatrarana ireo. Fampiasana araka ny tokony ho izy ny toerana hamokarana sy ny loharanon-karena hotrandrahina. Fanatsarana ny fomba famokarana afaka hifaninana eo amin’ny tsena. Fanatsarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy fampihenana ny tsindry. Fampivoarana ny tsena eto an-toerana sy any ivelany. Farany, fanatsarana ny rafitra tsara tantana sy fanamafisana ny fahaiza-manao. Navoitra ny famokarana lalam-pihariana matanjaka sy sahaza ny isaky ny kaominina.
Njaka A.