Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70721

Seho ho an’ny asa sosialy : nampihirain’ny fony i Laurent Voulzy sy i Alain Souchon

$
0
0
LAURENT

« Tohina ny foko… Tsy vitan’ny faly nahita ireo ankizy beazina ao amin’ny akany fa tsy nampoiziko ihany koa ny fandraisanareo mpijery anay. Fo miara-mitempo ny antsika, sady ho an’ny asa fanampiana ireo zaza ireo, no ho an’ny zavakanto ihany koa », hoy ny nambaran’i Laurent Voulzy, nandritra ny seho izay notontosainy tetsy amin’ny CCI Ivato, ny alin’ny alakamisy lasa teo.
Toa azy koa, mba naneho ny fientanam-pony, noho ny fandraisan’ireo mpijery ny hirany i Alain Souchon. Nezahan’ireto mpanakanto ireto ho ireo hira fantatry ny mpijery, indrindra ireo malagas mankafy azy ireo no nalahatra nandritra ny seho. Anisan’ireny ny « Derrière les mots, « On était beau », sns, izay voarakitra rahateo tao anatin’ny rakikira niombonan’i Laurent sy i Alain. Tsy nohadinoan’izy ireo koa anefa ireo hirany manokana avy.
Anisan’ny vahiny tsy nampoizina i Davy Sicard, mpanakanto renioney, izay akaiky fo amin’i Madagasikara, ary isan’ireo mpiahy ny zaza beazin’ny Aïna, Enfance Avenir » ihany koa.
Tazana tao ihany koa i Hanitra Ranaivo, izay mpanakanto malagasy mbola mpiahy ny fikambanana.
Arakan y efa nampahafantarina, natolotra manontolo hiasan’ny fikambanana « Aïna, Enfance Avenir » ny vola rehetra azo tamin’ny fampisehoana. Tafiditra tao anatin’ny fanamarihana ny faha-10 taonan’ny fikambanana ihany koa izany, ka samy naneho ny fahavononany hanohana ny asan’ny « Aina, Enfance Avenir » ireo mpiara-miasa aminy. Anisan’ireny ny Fondation Air France, izay nanolotra taratasim-bola ho an’ny fikambanana.

Zo ny Aina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70721

Trending Articles