Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70773

Komity fakan-kevitra hamolavola lalàna : « Raharahan’ny samy Malagasy ny fampihavanam-pirenena »

$
0
0
Komity

Mitohy ny fakan-kevitry ny komity mpamolavola ho fananganana ny Filankevitry ny fampihavanana (FFM), etsy amin’ny lapan’ny Antenimierandoholona Anosikely.

 

« Betsaka no tonga aty aminay ireo fiombonambe iraisam-pirenena ireo, amin’izao fotoana izao. Teneninay amin’izy ireo fa raharahanay samy Malagasy ny fampihavanam-pirenena, fa raha te hanampy anay ianareo, alefaso ny fanampiana: na hevitra, na vola, na fitaovana… Fa tsy hisy teritery avy aminareo. »

Io no nambaran’ny avy amin’ny komity fakan-kevitra  hamolavola ny lalàna momba ny fampihavanam-pirenena, Rasolo André, afakomaly, taorian’ny fihaonan’izy ireo avy amin’ny fiombonambe iraisam-pirenena. Nampahafantarina tamin’izany ny dingana arahin’ny komity amin’ny famolavolana ny lalàna momba ny fampihavanana.

Mety manana traikefa ny fiombonambe iraisam-pirenena, fa tsy adikantsika ara-bakiteny amin’ny zava-misy eto amintsika sy izay misy antsika izany, araka ny fanazavany. Tena tsy misy ifandraisan’ny fomba fampihavanana eto Madagasikara, ohatra, ny tatsy Afrika Atsimo. Tsara ny mahalala ny zavatra efa nataon-dry zareo na ny traikefany eo amin’ny fandaminana ny fiarahamonina.

Mitohy ny komity amin’ny fakan-kevitra, izay nanomboka tamin’ity herinandro ity. Efa nisy ny fihaonana tamin’ireo filoha teo aloha, afa-tsy ny filohan’ny Tetezamita teo aloha, Rajoelina Andry. Teo koa ny fakan-kevitra tamin’ny firaisamonina sivily, mpanao politika, mpitondra fivavahana… Anjaran’ny mpanao gazety sy ny mpitandro filaminana, omaly.

Hitohy any amin’ny renivohi-paritra hafa ny fakan-kevitra, ary noraisina koa ny fehinkevitra tamin’ny fampihavanana notarihin’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM) sy ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy (FFM).

R. Nd.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70773

Trending Articles