Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70716

Jery taratra… herinandro : laharam-pahamehana… tsy mahataitra

$
0
0

Ny amin’ny fifidianana loholona, amin’ny 29 desambra, indray izao ny adihevitra. Hadinodino ny amin’ny delestazy, ny « mémorandum » na fifanarahana andraikitra, ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana… Antom-pivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimierampirenena, mandritra ny 12 andro, ny fananganana ny rafitra nasionaly mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni).

Efa tsara omana mialoha ny raharaha? Nilaza ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa hita ny antony tsy azo anoarana hanatanterahana ny fifidianana, na ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana aza. Ny eo anivon’ny filankevi-panjakana indray, namaly ny fangataham-panazavan’ny praiminisitra fa tsy sakana ny mbola tsy nahatafatsangana ny Ceni amin’ny fanaovana fifidianana loholona.

Tsy sakana koa ny tsy fahafenoan’ny mpifidy vaventy, ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, noho ny mbola fisian’ny fangatahana fandravana didy momba ny voka-pifidianana kaominaly ofisialy eny amin’ny filankevi-panjakana. Na izany aza, misy manahy fa mety ho sakana ny hataon’ny depiote sasany: tsy mahazoazo ny fandaniana ny Ceni, fa tsy ny fanitsiana tetibola.

Izay ilay hoe laharam-pahamehana… tsy mahataitra? Toy ny fampiasana harona plastika voararan’ny lalàna ny fampiasana azy, nanomboka ny 1 oktobra. Tsy mahalala izany ny maro, na tsy rototra firy. Haharaka ny fanaraha-maso sy fanasaziana ve ny fanjakana sa ho am-boalohany ihany ny raharaha? Hanova ny fiainan’ny mponina ny tsy fampiasana ny harona plastika.

Nanatrika ny fihaonambe an-tampon’ny faha-70 taon’ny Firenena mikambana (ONU) ny delegasiona malagasy, notarihin’ny filoha Rajaonarimampianina. Nambarany fa hanatanteraka ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) napetraky ny ONU i Madagasikara. Hitondra fihatsaram-piainan’ny vahoaka ifotony amin’izao fotoana izao ve izany na imasoana izay tena laharam-pahamehana? Na tsy mahataitra izay tena laharam-pahamehana, na tsy laharam-pahamehana izay mahataitaitra tato ho ato…

R. Nd.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70716

Trending Articles