Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70671

Fandrarana ny fampiasana harona plastika : « Ny asa efa misy tsy tokony ho foanana », hoy ireo mpiasa

$
0
0

 « Ny asa efa misy tsy tokony ho foanana fa ny marimaritra iraisana no tokony hojeren’ny fanjakana manoloana ny fandrarana ny fampiasana harona plastika. Anjatony ireo ho very asa satria mamelona fianakaviana maro ny orinasa nefa izao alefa « chômage technique » ny mpiasa. Tena hampihena ny fahasimban’ny tontolo iainana araka ny eritreritry ny fanjakana tokoa ve ny fandrarana ny olona tsy hampiasa harona plastika ? », hoy ny fanazavan-dRakotoniaina Albertin, lefitry ny lehiben’ny mpanapaka selofanina ao amin’ny orinasa VitaplasT Anosizato. Velon-taraina, araka izany, ny mpiasa ao amin’ity orinasa mpamokatra harona plastika ity satria manjavozavo tanteraka ny tian’ny fanjakana hatao manoloana izao fanapahan-kevitra tampotampoka izao, raha ny fanazavan’ny mpiasa ao amin’ity orinasa ity. Voalaza fa ireo mpiasa mpamokatra ny harona plastika no tena voakasiky ny fampiatoana amin’ny asany. « Ny selofanina anefa no tena mamelona ny orinasa eto aminay. Ny fanabeazana ny olona no tokony hataon’ny fanjakana. Efa nisy ny soso-kevitra naroson’ny orinasa amin’ny fanjakana ka andrasana izay ho valin-tenin’izy ireo», hoy hatrany ireo mpiasa.

Mbola nanamafy ny fangatahany amin’ny fanjakana hatrany ireo mpiasa mba hijery akaiky ity raharaha ity satria hanampy isa ireo tsy an’asa indray ny ankamaroan’izy ireo. Misy ireto mpiasa ireto no voalaza fa mbola ananan’ny banky vola. Manginy fotsiny ny fidiran’ny mpianatra, nefa izao no mahazo ny mpiasa.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70671

Trending Articles