Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70671

Tsy fahamarinan-toerana sy toetra…

$
0
0
indraim-bava

Mby aiza ny toe-draharaham-pirenena? Na fanarenam-pirenena io, na fampandrosoana… Miara-dalana amin’izany ny fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka ifotony. Fanamby amin’ny famahana ny krizy lalavareny tamin’ny alalan’ny fifidianana io.

Hatramin’izao, mbola tadiavina ny fahamarinan-toerana sy fitoniana politika. Zava-dehibe izay, mahamaika. Toy ny fananganana ny rafitra mahaleo tena hikarakara ny fifidianana, ohatra, fa tsy ny fanitsiana ny tetibola amin’ity taona efa hifarana.

Maika ny fifidianana loholona, nanaovana fifidianana kaominaly. Hahazoana ny maro anisa amin’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, izay mpifidy vaventy hahazoana loholona maro. Tsy inona izay fampandrosoana eny ifotony.

Ratsy fototra na ratsy fiainga ny raharaha? Hita izao fa tsy mahavaha olana ny fifidianana, na hoe nivoahana tamin’ny krizy aza. Tadiavin-dava ny fahamarinan-toerana, natao kitsapatsapa amin’ny fampihavanam-pirenena, fifanarahana andraikitra…

Tsy fantatra intsony izay marina: ny tsy fahamarinan-toerana tanteraka no tsy ahavitana inona amin’ny fanarenam-pirenena sy fanatsarana ny fiainam-bahoaka sa ny tsy fahavitana inona tanteraka amin’izany no tsy mahamarin-toerana?

Tsy mety ho marin-toerana koa ny fiainam-bahoaka. Mampikaikaika ny maro ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana, ny fahatapatapahan’ny jiro… Manginy fotsiny ny fitotongan’ny sandam-bola malagasy, ny hiakaran’ny vidin-tsolika…

Tsy ny fanarenana ny fiainam-bahoaka ve no tena fahamarinan-toerana sy hampisy fitoniana tanteraka sy maharitra? Tsy mbola nandramana izay, tsy mbola natomboka… Misy mihaino? Na tsy mahamarin-toerana ny tsy fahamarinan-toetra amin’ny fomba fiasa.

Atao ihany ny atao, na iza hiteny na iza tsy faly. Lehibe tsy meloka? Tsy mba diso… Mba mitondra inona eo amin’ny fiainam-bahoaka izao izay hoe fanovana? « Aorian’ny fahadisoana, tsy ahitsy: izay no tena fahadisoana« , hoy ny ohabolana sinoa izay.

Rafaly Nd. 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70671

Trending Articles