Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70736

Faritra Boeny : tohanan’ny fandaharanasa Page-Giz ny fiompiana tantely

$
0
0

Narafitra ny rojom-pihariana fandrama na tantely any Boeny, ka nanomboka ny 23 septambra teo hatramin’ny faran’ny volana oktobra, miditra amin’ny fitsidihana ifotony ireo vovonam-piompiana fandrama (Pôle de production miel) telo ny mpampiofana sy tompon’andraikitry ny Faritra. Ahitana ireo vovonam-piompiana ireo ny distrikan’Ambato Boeny, Mahajanga II ary Mitsinjo. Tanjon’ny fitsidihana, ny hahafahana mamantatra ny zava-bitan’ireo mpiompy, mijery ny lesoka sy ny vahaolana ary ny fanatsarana ny fiompiana mba maharitra.

Manohana ara-teknika sy ara-bola azy ireo ny fandaharanasa alemaina Page (Programme d’appui à la gestion environnementale)-Giz. Fiaraha-miasan’ny faritra Boeny amin’ny any ivelany io ho fanatsarana ny fidiram-bolan’ny tantsaha sy ho famokarana ny “Fandrama Boeny tsara kalitao”.

Manana vina ny faritra Boeny hampitombo ny toho-tantely maoderina miisa 1.000 alohan’ny taona 2016. Paikady hahatrarana izany ny fanomezana fiofanana maharitra ireo mpiompy amin’ny fanamboarana ireo rogo maoderina ireo. Vao manomboka ihany ny fiompiana maoderina ao amin’ny faritra raha ampitahana amin’ny hafa. Hita anefa fa anisan’ny manome ranon-tantely tsara karazana satria ambany ny tahan’ny rano ao anatiny,  noho ny toe-tany sy tsy be rotsak’orana any avaratra andrefana.

Tsapan’ireo teknisianina mpitsidika fa mbola mila fanamafisana traikefa misimisy kokoa ireo mpiompy fandrama. “Hisy mpampiofana matihanina nafaran’ny Page-Giz, ka tokony hahay hanararaotra fatratra izany ireo mpiompy”, hoy Atoa Bevelo Christian, lehiben’ny sampandraharaha misahana ny toekarena faritra Boeny.

R.Mathieu


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70736

Trending Articles