Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70818

Tsy fanekena voka-pifidianana : iray volana ny fangatahana fandravana didy

$
0
0
CIMG5143

Na efa novoaka aza ny voka-pifidianana ofisialy kaominaly, misy tsy manaiky… Iray volana ny fahazoana manangataka fandravana didy. 

« Manana iray volana, aorian’ny nametrahana ny fanambarana ny fangatahana fandravana didy  ny mpitory hametrahana ny fampiakarana ny raharaha eny amin’ny Filankevi-panjakana eo anivon’ny fitsarana tampony. »

Io no nambaran’ny kaomisera jeneralin’ny lalàna, Rakotomandimby Benjamin, teny Anosy, omaly, ny amin’ny fangatahan’ireo tsy manaiky ny voka-pifidianana kaominaly ofisialy, navoakan’ny fitsarana misahana ny ady ato amin’ ny fanjakana.

Nifarana ny 28 septambra lasa teo ny fandraisana ny fanambarana ny fangatahana fandravana didy. Napetraka fotsiny ny taratasy milaza ny hanaovana fampiakarana ny raharaha amin’ny filankevi-panjakana eo anivon’ny fitsarana tampony, araka ny fanazavany.

Mahazo taratasy fanamarinana na rosia momba izay filazana ny hanaovana fampiakaran-draharaha izay ny mpitory. Atao ao anatin’ny antontan-taratasin’ady izay rosia izay, entina eny amin’ny filankevi-panjakana.

 

Miasa avy hatrany ny filankevi-panjakana

 

Na izany aza, miasa avy hatrany ny eo anivon’ny filankevi-panjakana, fa tsy miandry iray volana. Afa-mametraka ny antontan-taratasin’ady avy hatrany ny mpitory; eny, na eo no ho eo aza, raha vao maharay ny rosia fanamarinana ny fanambarana ny hanaovana fangatahana fandravana didy.

Ahafahana mandrava ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana ny fanitsiana ny diso ny fampiharana ny lalàna nataony, na mety ampy ny paikady tokony ho narahina ahafahana namoaka izany didim-pitsarana izany, na tsy mety, ohatra, ny antony nanafoana voka-pifidianana na namoahana didim-pitsarana.

Na tsy ampy na tsy misy na diso ny antony namoahana ny didim-pitsarana, ahazoan’ny filankevi-panjakana manafoana ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana isaky ny renivohi-paritany izany.

Tsy mampiato ny fampiharana ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana ny fangatahana fandravana didy. Manankery avy hatrany ny nahavoafidy ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, araka ny voka-pifidianana ofisialy.

R. Nd.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70818

Latest Images

Trending Articles